Zoma 2 Oktobra 2020

Tsy manan-tahotra ny fitiavana ; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra ; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana. Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha. 1 Jaona 4:18-19

 

Fitiavana sa fahatahorana ?

— Raha mahazo antoka fa voavela heloka sy neken’Andriamanitra, tsy itataovan-doza ve hiaina araka izay tiana, ka tsy hiraharaha Azy ?

— Tsia ! Ndao haka ohatra : mitondra tena tsara ny ankizy sasany, satria masiaka ny ray aman-dreniny. Voasazy izy ireo raha tsy mitondra tena tsara. Ny tahotra, voalohany indrindra, no mibaiko ny fitondrantenany, fa tsy faharesen-dahatra manokana. Tahatahaka izany koa ny momba ireo fivavahana. Fahatahorana ny vokatra mety hateraky ny fitondrantena mivaona no mibaiko ny olona hiaina amin’ny fomba mendrika.

Mifanohitra amin’izany kosa, ny tena fifandraisan’ny kristiana iray amin’Andriamanitra dia mitovitovy amin’ny fifandraisan’ny mpivady. Fitiavana sy fifampatokisana no mameno ny rehetra ataon’izy mivady sy ny fitondrantenany. Koa ny asa soa sy ny faniriana hiaina araka izay mahafaly an’Andriamanitra dia avy amina fifandraisana velona sy feno fitokisana aminy, ary vokatry ny asan’ny Fanahy Masina ao anatin’ny fo. Ho fankasitrahana an’Andriamanitra, Izay namela ny fahotantsika, dia mikatsaka ny hiaina amina fomba manome voninahitra Azy isika.

Ny asa soa dia vokatry ny famonjena, fa tsy hoe fepetra hahazoana izany. Tsy manamaivana ny asa soa tsy akory ny Filazantsara, fa vao mainka aza mametraka azy ireny eo amin’ny toerana tandrify azy. Tsy fitaovana “hanambatambazana” an’Andriamanitra ny asa soa, mba hahazoana tombana metimety kokoa avy aminy, fa fanehoana ny fitiavana mampifamatotra antsika amin’Andriamanitra. Tsy misy ifandraisany velively ny fitiavana an’i Jesosy Kristy sy ny tahotra !