Asabotsy 3 Oktobra 2020

Fa ankehitriny Izy (Andriamanitra) mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty. Asan’ny Apostoly 17:30, 31

 

Manao izay tiako hatao hoe aho ?

« Manao izay tiako hatao aho, amin’ny fotoana tiako hanaovana izany. » Teo amina fasana iray no nahitana io soratra io, angamba mamaritra ny toetran’ilay olona milevina ao. Io soratra io dia manambara toetran’olona hentitra sy mahaleo tena, ka tsy milefitra amina fahefana ankoatra ny azy ary te hanatanteraka ny faniriany rehetra. Io soratra io anefa dia mampiseho amintsika koa fa misy fetra ny sitrapon’ny olona. Any mantsy andro iray, tapitra ny aina, ary amin’izay ny hoavintsika mandrakizay dia tsy miankina intsony afa-tsy amin’izay fihetsika nananantsika manoloana ny sitrapon’Andriamanitra.

Ampahatsahivin’ny Baiboly antsika, fa ankehitriny Andriamanitra dia mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao mba hibebaka. “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31). Izany no hany fomba hahazoana ny famonjena atolotr’Andriamanitra. Tsy misy fomba hafa, ankoatra izany, ary tsy maintsy manaiky izany isika, raha te hiala tsy hiharan’ny fitsarana sy te ho sambatra mandrakizay. Koa ireo izay ho voaheloka dia ho voaheloka satria tsy nety nino. Nolazain’i Jesosy tamin’ireo izay niady hevitra taminy izany : “Tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana”, dia ny fiainana mandrakizay (Jaona 5:40). Ny sitrapon’ny olona manokana tokoa no sakana tsy hinoany. Mila mianatra fanoavana isika : fanoavana tokony hananan’ny zavaboary rehetra eo anatrehan’ny Mpahary azy.

“Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36).