Alahady 4 Oktobra 2020

An’ny Tompo Andriamanitray kosa ny famindrampo sy ny famelan-keloka. Daniela 9:9

 

Toe-tsaina mamela heloka

2 avrily 2015. Niharana fanafihana antoko silamo mpampihorohoro ny oniversiten’i Garissa (any Kenya), ka namoizana ain’olona 148 izany. Nandefa hafatra ho an’ireo mpamono olona i Ciku Muriuki, mpanentana ao amina fampielezam-peo iray ; hoy izy :

« Nolazainareo hoe ianareo no namono mpianatra kristiana miisa 148. Malahelo ireo fianakaviana rehetra namoy hava-malala aho, nefa kosa tsy malahelo noho ireo maty. Heveriko fa ninianareo nosafidina io andro Paska io, izay nanoloran’i Kristy ny ainy ho antsika rehetra, anisan’izany ianareo. Angamba tsy miraharaha izany ianareo…

Vahoaka tezitra no niteny ratsy sy nanambany an’i Kristy, tamin’io fotoana io, ary nitaky ny hamonoana Azy. Miaramila romana no nandrora ny tavany, nikapoka Azy, nandentika satroka tsilo teo amin’ny lohany, ary nanombo Azy tamina fomba feno habibiana, teo amin’ny hazofijaliana. Nefa izy ireo dia samy nahita ireo fahagagana nataony, samy nandre ny teniny. Koa nahoana no nisy fahasiahana be toy izany ? Nijery ireo mpamono Azy Jesosy, ka niteny hoe : “Ray ô, mamelà ny helony”. Ny olona no tompon’andraikitra namono Azy, fa Izy kosa nanolotra an-tsitrapo ny ainy ho antsika, izay minia manota na manota noho ny tsy fahalalana.

Ho anareo no nahafatesan’i Kristy : ho anareo koa, izay namono ny anadahiko sy ny rahavaviko kristiana… Maty Jesosy, nefa nitsangana ho velona indray. Hitsangan-ko velona toy izany koa ireo mpianatra kristiana novonoinareo ireo. Hitsangana amin’ny maty izy ireo, satria ny fiainana mandrakizay dia ampanantenaina ireo izay mino an’i Jesosy Kristy… Ho anareo ihany koa no nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Ho famonjena anareo, raha mibebaka ianareo. »