Alatsinainy 5 Oktobra 2020
Nangataka ho faty izy (Elia) ka nanao hoe : ... Alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô... Ny Zanak’Israely efa nahafoy ny fanekenao... izaho irery ihany no sisa... Fa hoy Jehovah taminy : Nefa hamela fito arivo ao amin’ny Israely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin’i Bala. 1 Mpanjaka 19:4, 14, 18
Vao avy nifandahatra tamina mpaminany sandoka an-jatony i Elia, mpaminanin’i Jehovah, ary nampiseho tamin’ny fomba mampitolagaga fa Jehovah no hany tena Andriamanitra (1 Mpanjaka 18). Noho izany dia nandrahona azy ho faty i Jezebela, mpanjakavavy mpanompo sampy, ka nandositra izy mba hanavotany ny ainy. Nandeha ela i Elia, ary avy eo nipetraka teo am-pototra anjavidy iray. Nihevitra izy fa irery teo anivona vahoaka tsy mankatò an’Andriamanitra, ka ketraka tanteraka. Kivy tamin’ny hafa sady kivy tamin’ny tenany izy no nanao anakampo hoe : “Aoka izay ! Aleo maty…”
Andriamanitra anefa nanana drafitra hafa ho an’ny mpanompony. Tsia, tsy ho faty fadiranovana eo ambany anjavidy i Elia ! Tsy ho ela dia hisy kalesy afo sy soavaly afo hitondra azy ho any an-danitra, ary tsy handalo fahafatesana izy ! (2 Mpanjaka 2:11).
Nisy anjely namoha sy nanome sakafo azy, mandra-pahatongany tany Horeba, “ilay tendrombohitr’Andriamanitra”. Teo Andriamanitra no niteny taminy tamin’ny “feo nitsoka malemy” izay nanohina ny fony. Dia nahafantatra izy fa tsy izy irery no olona mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra.
Mety hiainana kristiana ihany koa ny toejavatra niainan’i Elia. Aoriana-na fandresena ara-toe-panahy, azo noho ny fanampian’Andriamanitra, dia matoritory ny finoana. Ary rehefa voaterin’ny zava-misy dia tsy miantehitra amin’Andriamanitra intsony, fa mihidy mitodika amin’ny tena. Mihevi-tena ho irery… Koa aoka isika hihaino tsara ny feon’ny Tompo, feo feno fahasoavana. Aoka ho fantatsika fa tsy isika irery no miady (1 Petera 5:9). Ary aoka hotsarovantsika fa ho tonga amin’ny fotoana tsy ampoizina ny Tompo, mba haka antsika hiaraka aminy ho any an-danitra (1 Tesaloniana 4:17), ka toy ny nataony tamin’i Elia, dia mety tsy handalo fahafatesana isika.