Talata 6 Oktobra 2020

Kanefa misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany. Joba 33:14

Mihainoa ahy kosa ; mangìna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao. Joba 33:33

 

Ny nokendren’Andriamanitra

Tamin’ny taonjato faha-17, tao amin’ny tafik’i Cromwell, dia nisy fitsipika mandidy ny miaramila tsirairay hitondra Baiboly eny aminy. Nisy tovolahy maditra iray nilatsaka ho anisan’io andia-miaramila io, nanantena hahazo babo avy any. Toy ireo namany hafa, dia tsy maintsy nitondra Baiboly teny aminy izy. Taoriana-na ady mafana iray, nikasa haka mofo tao anatin’ny kitapony izy no naharay ilay Baiboly ary nahita lavaka boribory tsy fanta-piaviana teo amin’ny fonony. Nokarohiny izay mety nahatonga izany, ka takany fa nisy bala namakivaky ny ampahan’ilay boky ary nijanona teo amin’ny pejin’ny toko faha 11-n’ny bokin’ny Mpitoriteny. Taitra mafy sady gaga izy, namaky tao ny teny hoe : “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao ; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao… nefa aoka ho fantatrao fa hoentin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany” (and 9).

Niteny taminy Andriamanitra ! Tonga saina izy fa saika maty. Raha tsy nisy io boky io, dia mety ho efa maty izy ary efa ho niditra tany amin’ny mandrakizay, kanefa tsy niomana akory hihaona amin’Andriamanitra. Teo no ho eo izy dia nino an’i Jesosy Mpamonjy, ary nanomboka teo dia mpanaraka Azy tsy niovaova mandra-pahafatiny, nandritra ny andro lava niainany. Tiany ny niteny hoe : “Ny Baiboliko no nanavotra ny aiko : ny ain’ny vatako, izay narovany teny amperin’ady, ary koa ny ain’ny fanahiko, izay hitako tao amin’i Jesosy Kristy”.

Miteny amin’ny olona amin’ny fomba marobe Andriamanitra : amina loza mitranga, tsy fahombiazana, fanafahana, fahadisoam-panantenana, na angamba amin’io tantara vao avy novakinao io… Ny tiany hokendrena dia ny fieritreretana sy fon’ny olona noarìny.