Alarobia 7 Oktobra 2020
(Hoy Jesosy tamin’i Petera :) Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao ; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao. Lioka 22:32
Hoy Izy (Andriamanitra) : Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory. Hebreo 13:5
« Nahafaly anay ny niaraka nandritra ny ora vitsivitsy tamin’i Wang Ming-dao, iray amin’ireo evanjelista sinoa fanta-daza indrindra. Nigadra taona maro izy, nandritra ny fitondrana feno herisetran’i Mao Tsé-toung. Nogadraina izy tamin’ny voalohany, noho ny finoany an’i Kristy, nefa nihevitra fa tsy hahatanty ny ho voafonja mandra-pahafatiny, ka nivadika, ary nafahana noho izany. Saingy vao nahazo fahafahana izy, dia voakasika mafy ny fieritreretany. Tsapany ny haratsian’ny fahadisoany nandà ny Tompony. Menatra izy noho ny hakanosany, nivadika tamin’Ilay Mpamonjiny, ka nanao anakampo hoe raha tena ny higadra no fikasan’Andriamanitra ho azy, dia tokony hanaiky izany am-patokiana izy. Nanana hafanam-po vaovao ho an’ny Mpamonjiny izy, ka namakivaky ny arabe eran’i Pékin sady niantsoantso hoe : “Petera no anarako, ary nandà ny Tompoko aho ! Petera no anarako, ary nandà ny Tompoko aho !” Araka ny nampoizina, dia voasambotra avy hatrany izy. Nandritra ny 19 taona izy no nijaly tany an-tranomaizina, noho ny amin’i Kristy.
Rehefa hifarana ny famangianay, dia nihira fihirana iray nampahery azy matetika tany am-ponja izy, hoe :
Ny Tompo no mitantana ahy, eo amin’ny lalako ;
Ka iza indray no mbola hilaiko ?
Hisalasala momba ny fangoraham-pony
Niaraka tamiko mandrakariva ve aho ?
Fiadanana avy any an-danitra, fampaherezana avy amin’Andriamanitra
Ny mitoetra ao aminy amin’ny finoana !
Na inona na inona hianjady amiko, dia tsy hatahotra aho,
Satria Jesosy, amin’ny maha Andriamanitra Azy, manao ny zavatra rehetra tsara. »
(araka an’i R. Zacharias)