Alakamisy 8 Oktobra 2020

Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa, ary ny fahafatesana sy ny loza ... Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao. Deoteronomia 30:15, 19

 

Safidy lehibe

Mifanesisesy tsy an-kijanona eo amin’ny fiainana ireo safidy tsy maintsy atao. Mety hiankinan’ny ankehitriny na ny hoavy izany, mety tsy hahakasika afa-tsy ny olana madinika andavanandro, na koa, mety hisy akony eo amin’ny fiainana manontolo, ary ny tena manetriketrika, eo amin’ny hoavintsika mandrakizay.

Raha tsy mahafantatra an’Andriamanitra ianao, dia mitovy amina mpandeha tonga eo amina sampanan-dalana iray. Misy lalana roa tsy maintsy isafidianana eo anoloanao. Mety hamitaka ny fijery azy etỳ ivelany. Malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, fa tery kosa ny lalana mankany amin’ny fiainana (Matio 7:13-14). Toa mora lavitra ny mandeha amin’ilay lalana malalaka, ary ny mampatoky aza, dia tafaraka maro ao. Tsy mitaky hahafoy na inona na inona, fa vao mainka aza mamaly ireo faniriantsika, ireo fitsiriritantsika, saingy mitondra any amin’ny ... fahaverezana.

Aleo misafidy ny lalana mankany amin’ny fiainana. Tery izy, ka raha te handeha aminy, voalohany indrindra dia tsy maintsy mahafoy izay rehetra mety ho hambo hiseho ho marina eo anatrehan’Andriamanitra, mamela eny an-jorom-bala ny avonavontsika, ary manaiky an’i Jesosy ho hany Mpamonjy. Eo anatrehanao izany safidy iankinan’aina izany :

— etsy andaniny, ilay lalana mankany amin’Andriamanitra, nefa tsy maintsy miaiky fa mila ny famindrampony,

— etsy ankilany, ilay lalana manalavitra Azy mandrakizay. Mihevitra angamba ianao fa afaka tsy hisafidy. Nefa dia efa vita izany ny safidinao. Mijanona eo amin’ny lalana mampanalavitra anao amin’Andriamanitra ianao, mankany amin’ny fahafatesana mandrakizay.

Ny misafidy ny lalana tsara dia ny misafidy ny fiainana, misafidy an’i Jesosy.