Zoma 9 Oktobra 2020
(Hoy Jesosy :) Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra... Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy ; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. Jaona 15:1, 5
« Eo amin’ny tontolon’ny zavamaniry, dia tsy misy hazo maneho tsara ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra tahaka ny voaloboka. Tsy misy hazo manana voany sy ranony mahavelombelona sy manome hery tahaka ny voaloboka. Fa tsy misy koa hazo tena tsy misy ilàna azy toy ny voaloboka, izay mitombo haingana ka vetivety foana dia ahazoana hazo, saingy hazo tsy hay atao na inona na inona, afa-tsy ny atsipy any anaty afo. Amin’ny hazo rehetra dia tsy misy tsy tokony hitsitsiana hetin-jaridaina toy ny voaloboka. Ary tsy misy hazo miankina be amin’ny fikarakaran’izay mamboly azy toy ny voaloboka. » (A. Murray)
Koa tsy mahagaga raha io sarin’ny voaloboka io nampiasain’i Jesosy, mba hampianarany antsika lesona lehibe roa sosona.
Jesosy dia manondro ny tenany ho ny foto-boaloboka, ary ny mpino no sampany. Mazava ho azy fa tsy hisy sampan-kazo ho velona sy hamoa, raha tsy miray amin’ny foto-kazo mitondra azy ary raha tsy mikoriana ao anatiny ny tsiron-kazo.
“Tomoera amiko”, hoy Jesosy (ny sampany miray amin’ny foto-kazo), “ary Izaho aminareo” (ny tsiron-kazo mikoriana ao anatin’ny sampana) : izany no fepetra voalohany hahafahana mitondra voa. “Fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona”, hoy ny Tompo nanamafy ny teniny tamin’ny mpianany.
Fepetra faharoa : miaritra fandrantsanana ataon’ny mpamboly voaloboka, “ny Ray”, Izay mahay sady mitsimbina, mba hamoazana bebe kokoa. Ny hoe mamoa, mamoa bebe kokoa, dia mamela ny ain’i Jesosy hameno ny saintsika, manatanteraka ny sitrapony, ary manao izay mahafaly Azy.