Asabotsy 10 Oktobra 2020
Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana ; dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao. Salamo 50:15
Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 5:1
« Tamin’ny fahazazako dia nanosika ahy hankany am-piangonana ny raiko, izay tsy mpandeha any akory. Rehefa nihalehibe aho dia tsy nahita tao, na dia iray aza, valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana lehibe nipetraka tamiko teo amin’ny fiainako. Koa dia nitodika tamin’ny filôzôfia aho. Avy eo, rehefa nidoroka zava-mahadomelina malefaka nandritra ny taona maro aho, dia tsy maintsy niditra hôpitaly mitsabo olona marary saina.
Tamin’izay fotoana izay Andriamanitra no nanomboka niteny tamiko. Teo ambony farafaran’ny hôpitaly aho no nihaona tamin’ny Tompo, rehefa tao anaty lavaka mangitsokitsoka. Nampahiratiny ny masoko, nosokafako hidirany ny foko, ary natolotro Azy ny fiainako manontolo, mba honenany ato anatiko. Voalohany teo amin’ny fiainako no niantsoako ny anaran’i Jesosy, ka nangatahako Azy mba hanampy ahy.
Tamin’io andro io no sambany niainako ny fahefana sy hery ao amin’ny anaran’ny Tompo Jesosy. Nafahany tamin’ny zava-mahadomelina nampijaly ahy aho, ary natorony ahy ny lalana tokony hizorako. Fantatro fa voavonjy aho ary voavela heloka, satria ny Tompo Jesosy mihitsy no nanaisotra ny vesatry ny fahotako, izay nitambesatra mafy teo amin’ny fieritreretako. Nahatsiaro ho maivamaivana aho, sambatra sy afaka. Tsy misy na iza na iza afaka nanaisotra amiko ny fifaliana, fiadanana ary fahasambarana vao noraisiko tamin’io fiainam-baovao io. Tatỳ aoriana dia niara-nantsoin’ny Tompo izaho sy ny vadiko, hanao asa fanompoana izay mbola tohizinay ankehitriny, ary faly izahay manatanteraka ny sitrapony. »
Léandre