Alahady 11 Oktobra 2020
Ary ... nahita ny fahasahisahian’i Petera sy Jaona izy... fantany tsara fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy. Asan’ny Apostoly 4:13
Fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany. 1 Petera 2:21
Milaza anao ho “kristiana” ianao. Inona no hevitr’izany, aminao ? Hilaza angamba ianao fa ny hoe kristiana dia ny manaraka an’i Kristy sy mihazona ny fampianarany ; ary marina izany. Nefa ho amin’izany, dia tsy maintsy mino Azy aloha, mba handraisana Azy ho Mpamonjy ny tena manokana. Izao no voasoratra : “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31).
Ary raha mpino isika, raha nanatona an’i Kristy tamin’ny finoana sy ny fiekena ny helotsika, dia Izy no Ilay tokony harahintsika sy halaintsika tahaka. Izy dia namela môdely azontsika ianarana eo amin’ny fisainantsika, ny fitondrantenantsika, ny fiainantsika. Amin’izay ny fitondrantenan’ny kristiana dia mampiseho fa “avy amin’i Kristy” izy, araka io anarana entiny io. “Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra ; fa tsy misy manoty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroy” (Lioka 6:44). Ireo izay mitazana antsika ve mba afaka mahita antsika ho olona mahafantatra an’i Jesosy amin’ny finoana ary manaraka Azy ?
Ndao hikatsaka ireo hatsaran-toetra nampianarin’ny Tompo Jesosy antsika, dia “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po” (Galatiana 5:22, 23). Ny Fanahin’Andriamanitra, mitoetra ao anatin’ny mpino tsirairay, no mampita amintsika ireo hatsaran-toetra ireo. Tsy laminasa maha te hanatanteraka ve izany ?
Ry Mpamonjiko, izaho dia
Te ho toy ny akon’ny feonao,
Mba hanambara ny zava-miafin’ny hazofijalianao,
Ry Mpamonjy mamin’ny foko.