Alatsinainy 12 Oktobra 2020
(Hoy i Joba :) Nahoana re aho no ... tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e ?... Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an’izay latsaka amin’ny fangidiana ? Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy. Joba 3:11, 20, 21
Fa navotany (navotan’Andriamanitra) ny fanahiko ... ary mifaly ny aiko amin’ny fahitana ny mazava. Joba 33:28
Nanankarena sy rakotra zavatsoa i Joba. “Marina sy mahitsy” ihany koa izy, “sady natahotra an’Andriamanitra, ka nifady ny ratsy” (Joba 1:1). Nefa dia hisy fizahan-toetra lozan-tany, havelan’Andriamanitra hihatra aminy. Fongana tao anatin’ny iray andro ny fananany rehetra sy ny zanany folo mianadahy. Avy eo dia nisy vay ratsy nikiky azy hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Nandritra izany fotoana rehetra izany, dia tsy mba nikomy tamin’Andriamanitra i Joba, na dia nampirisihin’ny vadiny aza. Teo anefa ny fangirifiriana, ary nitady izay hanampiana azy ireo sakaizany, saingy tsy afaka nanamaivana ny fijaliany ; ary farany dia resy tanteraka izy ! Tsy nangina intsony izy, ka nanozona ny andro nahaterahany, ary naniry ny ho faty. “Nahoana” marobe no nivoaka ny molony…
Manao ny tsy rariny ve Andriamanitra ? Avelany hisy ve izao fizahan-toetra izao, nefa tsy misy tanjona kendreny akory ? Tsia, tia an’i Joba Izy, ka te hampianatra lesona lehibe azy. Taoriana-na adim-panahy naharitra ela, dia ho takatr’i Joba ny elanelana manasaraka azy amin’Ilay Andriamaniny feno fiandrianana sy hery. Ka hoy izy nony farany : “Ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao ; koa dia miaiky sy mibebaka … aho” (Joba 42:5, 6). Raha vao azon’i Joba ny lesona, dia sitrana izy, ary nitahy azy fatratra Andriamanitra.
Ry kristiana, rehefa misosa tsy misy olana ny fiainantsika, dia tandidomin-doza isika hihevitra fa tahin’Andriamanitra noho ny hatsarantsika. Mety hanadino isika fa avy aminy no ananantsika ny zavatra rehetra. Noho izany dia mampisy zava-manahirana Izy, hanereny antsika hisaintsaina indray ny fiainantsika, mba hahitantsika izay rehetra tsy mifanaraka aminy ao am-pontsika ao. Nefa asehony amintsika ihany koa ny halehiben’ny voninahiny sy ny fahasoavany. Mampangirifiry izany, nefa matokia isika fa ny tiany mandrakariva dia ny hanisy soa antsika, any am-parany (Jakoba 5:11).