Talata 13 Oktobra 2020
Antsoy Aho, dia hovaliako ianao. Jeremia 33:3
Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy... Vonjeo aho noho ny famindramponao. Salamo 6:1, 4
« Nobeazina reny kristiana aho, kanefa dia nihataka —tamin’ny lafiny rehetra fonosin’io teny io—, satria nandeha nanatanteraka ny fanompoam-pirenena tany Nouvelle-Calédonie.
Indray andro aho dia nantsoina manamboninahitra iray ka nirahiny hanamboatra fiara lavidavitra tany ambanivohitra. Nipetraka teo anilan’ny mpamily ilay fiarabe mpamonjy voina aho, dia niainga izahay. Tampoka teo anefa dia tafavoaka ny lalana ilay fiarabe, ka nianjera tany amin’ny 15 metatra, rehefa avy nivadibadika imbetsaka. Latsaka tany anaty tatatra aho, nihosin-dra, nisy tataka 12 santimetatra teo amin’ny lohako, ary fahatapahana roa nisokatra teo amin’ny sandriko havanana. Tsy lazaina intsony ny tebitebiko, satria 180 kilaometatra avy teo ny hôpitaly akaiky indrindra.
Dia tsaroako ilay nampianarina ahy hoe : Andriamanitra dia afaka mamonjy tanteraka izay manatona Azy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ! Teo amin’ny toerana nisy ahy, dia famonjena roa sosona no azoko : famonjena ny fiainako ara-panahy sy ny fiainako ara-batana. Nipololotra avy tao am-poko ny hiaka hoe : “Tompo ô, raha mamonjy ahy Ianao, dia atolotro Anao ny fiainako”. Nihaino ny fivavako Andriamanitra, ka namonjy ahy : ara-batana, satria nataony nahazo fikarakarana ara-potoana aho, ary ara-panahy, satria faly aho ankehitriny afaka miresaka amin’ny manodidina ahy momba ny fitiavan’Andriamanitra.
Aza miandry ho voasakana loza, fa “anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo” (Hebreo 3:7). »