Alarobia 14 Oktobra 2020
... Nialanareo tamin’ny sampy, hiverenana amin’Andriamanitra, mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina, ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesosy, Izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy. 1 Tesaloniana 1:9, 10
Nisy mpanao sokitra malaza iray tany Sri Lanka voafidy hanamboatra sary vongan’i Bouddha, sary vongana anisan’ireo lehibe indrindra manerana an’i Azia. Ny nahazoany asa toy io hataony io dia midika ho tena fanekena tanteraka ny fahaizany. Nefa nandritra ny taona maro nanatanterahany io sanganasany io, dia tsy nilaozan’ny tebiteby izy :
« Tonga saina aho fa tsy ho afaka hampitony na oviana na oviana ny hetahetako lalina ity sary vongana omeko endrika ity, ary tsy afaka hamaly ireo fanontaniako. Hijanona ho mandrakizay ho sampy tsy misy aina ity, sampy asan’ny tanako… »
Dia nanomboka nanao fikarohana hatraiza hatraiza momba ny ara-panahy izy. Hita ho nahakivy sy tsy nisy vokany anefa izany, mandra-pahatonga ny andro nitsidihana kristiana iray azy. Hoy izy mitantara :
« Nisy tovolahy iray nitsikitsiky, tonga nitsidika ahy, nanolotra trakta ara-pilazantsara. Nony novakiko io, dia fantatro fa Jesosy Kristy no Ilay nirahin’Andriamanitra mba hamonjy ahy, ary te hameno ny fiainako amin’ny fahasoavany sy ny fiadanany. Ankehitriny aho dia sambatra, afaka manambara ny fifaliako lalina manana Azy ho Mpamonjy sy Tompo. »
Iza no ametrahantsika ny fitokisantsika ? Ireo sampin’izao tontolo izao ve ? olo-malaza, zavatra namboarin’ny tanana na ny saina, sns. Mandiso fanantenana hatrany ireny, any am-parany. Ilay Andriamanitra velona irery ihany no afaka mameno fahafahampo ny filan’ny fanahy.
“Ny mpandrafitra … maka ny hazo… ny sasany dorany amin’ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena… Ary ny sisan’izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy, ka mivavaka aminy hoe : Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao. Tsy mahalala na mahafantatra ireny…” (Isaia 44:13-18).