Alakamisy 15 Oktobra 2020
Raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo. Salamo 62:10
Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany... Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra. 1 Timoty 6:7-10
Rehefa mitoetra ao anatina olona iray ny fitiavam-bola tafahoatra, dia tsy mety ho afa-po mihitsy izy. Satria ny vola dia tsy mitondra fahatoniana feno. Hery mandainga izy, tsy mahay mampitony. Toa mitondra filaminana izy, nefa tsy mahatanteraka izay ampanantenainy.
Mihoatra noho izany aza, ny vola dia mandravarava ao anatin’ny fon’ny olona ao ; mambabo ny fatokian’ny olona izy, ary matetika aza, manimba io fo io ary maka ny toeran’Andriamanitra ao. Ny fangoronan-karena ho an’ny tena dia tsy afaka hitondra fahatonian-tsaina, na fiadanana, na fifaliana. Ny vola dia tsy maharo amin’ny aretina, ary tsy mitondra vahaolana, na inona na inona, manoloana ny fahafatesana.
Lazain’ny Testamenta Vaovao amin’ny mpino ny fomba handravana ny fahefan’io vola mora lo io. Mametraka ny fitokisantsika amin’Andriamanitra, fa tsy amin’ny vola, mba ho voavonjy. Miaina mba hanao izay hahafaly Azy, malala-po manome, dia hanangona harena ho amin’ny any ankoatra isika, toy ny hoe manao petra-bola ao amin’ny bankin’ny lanitra (1 Timoty 6:17-19).
Tsy mivaona ho ratsy ny filaminam-piainana sy ny harena, raha tsy ataontsika tanjon’ny fiainana. Raha raisintsika ho fanomezan’Andriamanitra ireo, dia afaka manome antsika fahasambarana tsotra sy azo tsapain-tanana, ary hahatonga antsika hankasitraka ny Andriamanitsika, Izay tsy mamela antsika ho orin-javatra. Nefa aoka tsy ho hadinontsika fa Izy no tena tompon’ny fananantsika. Anontanio Azy hoe ahoana no hampiasantsika, mba hahafaly Azy, izay rehetra omeny antsika. Ny kristiana dia tokony ho afaka mametraka mandrakariva ny fanontaniana hoe : Afaka misaotra an-kitsim-po an’Andriamanitra ve aho noho izay ananako… sy amin’ny fomba avelany ampiasako izany ?