Zoma 16 Oktobra 2020

Koa raha ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Jaona 8:36

Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika. Galatiana 5:1

 

Fahafahana manao ahoana ?

Olona maro no nanao vy very ny ainy, ka indraindray namoy izany, tamin’ny fikatsahana ny fahafahana. Azo antoka fa misy fahafahana ara-politika bebe kokoa amin’izao fotoana izao, any amina firenena maro, miohatra amin’ny tamin’ny taonjato lasa. Nefa io ve no tena fahafahana ? Isika rehetra ve tsy voataona-na fironana maro isan-karazany, ka andevozin’izany, voagejany amina fomba samihafa, kanefa tsy mahatsapa izany akory, matetika ?

Nisy Lehilahy iray nampiseho ny tena fahafahana, dia Jesosy Kristy. Hitantsika ao amin’ny Filazantsara Izy, Ilay olona lavorary : tsy ny hahafaly ny manodidina Azy no laharam-pamehany. Tsy nisy na iray aza, teny na asa nataony noho ny fahatahorany ny hafa. Ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny olona no hany antom-piainany. Ireo mpanaratsy Azy aza dia niteny hoe : “Fantatray fa marina Ianao, ka mampianatra marina ny làlan’Andriamanitra” (Matio 22:16).

Nanambara Jesosy hoe : “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo” (Jaona 8:32).

Fahafahana manao ahoana anefa io ? Ny fahafahana, ho an’ireo mino an’i Jesosy Kristy, dia ny fahafahana manao izay mahafaly Ilay tian’izy ireo. Nafahana “tamin’ny fahefan’ny maizina” (Kolosiana 1:13) izy ireo, nafahana tamin’ny herin’ny ota. Tsy toy ny taloha intsony izy ireo, hoe “andevon’ny filana sy ny fahafinaretana maro” (Titosy 3:3). Efa nomena azy ankehitriny ny hery hanaovany izay mahafaly ny Tompony ; fa amin’ny fomba ahoana ? Mangataka aminy io hery io, amin’ny vavaka, mamaky tsara ny Baiboly, tonga saina fa malemy.