Asabotsy 17 Oktobra 2020
Jesosy Kristy ... nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’Andriamanitra Raintsika. Galatiana 1:4
Vao haingana no teo amin’ny fonona gazety iray io fanontaniana io, manakoako mampitebiteby olona maro. Ny fanatontoloana dia nampikorontana ny fifanakalozana ary nandrava ny rafitry ny fiarahamonina maro. Indraindray ny hakivian’ireo olona faran’izay mahantra dia nitarika azy ho amin’ny fitakiana fanovana ifotony sy ny herisetra. Ny ankohonana, izay fototry ny fiarahamonintsika, dia voakitika hatrany amin’ny rafitra iorenany.
Mamaly io fanontaniana io ny Baiboly, hoe : “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany ; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay” (1 Jaona 2:17). Izao tontolo izao, amin’ny maha rafitra natsangan’olombelona azy, dia mizotra ho amin’ny fitsarana, satria manohitra an’Andriamanitra. Voaporofo izany rehefa tonga tetỳ an-tany Jesosy Kristy : “Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy” (Jaona 1:10). Mihoatra noho izany aza, namono Azy ho faty ireo tompon’andraikitra ara-politika sy ara-pivavahana tamin’izany fotoana izany. Nefa talohan’ny nahafatesany Jesosy dia niteny hoe : “Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao ; ankehitriny ny andrianan’izao tontolo izao no horoahina. Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy” (Jaona 12:31-32).
Ankehitriny dia mbola manajamba ny olona hatrany i Satana, mba hitarihany azy ireo hiaraka aminy ho amin’ny fanamelohana sy ny fahafatesana. Kanefa Jesosy dia mbola manolotra ny famonjena ho an’ireo rehetra te hibanjina ny hazofijaliana. Teo no nitondrany ny fahotan’izay rehetra mino Azy. Tsy hotsaraina intsony izy ireo, satria tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana (Jaona 5:24). Io fiainana io dia hivelatra tanteraka ao amin’ny voninahitra miaraka amin’i Kristy, ho mandrakizay. Koa eo anatrehan’ireo mpiara-belona aminy, eo anatrehan’izy ireo izay mitebiteby, ny kristiana dia afaka manambara ny fiadanana tovoziny ao amin’i Jesosy, Ilay Mpamonjiny.