Alahady 18 Oktobra 2020

Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao ; mitady Anao fatratra aho ; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano. Salamo 63:1

Ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy. 2 Timoty 4:17

 

Isanandro, isanora

Auguste Glardon, misionera tany India efa zato taona mahery lasa izay, dia tsy maintsy niaritra fitsapana mamaivay : tazo mahery vokatr’ireo aretin’ny tany mafana, tebiteby noho ireo bibidia, nandritra ireo diany fitoriany ny Filazantsara… ary tatỳ aoriana, ny alahelo noho ny nahafatesan’ny zanany lahy kely 5 taona.

Ao amina tononkira iray mitondra ny lohateny hoe : “Mangetaheta ny fanatrehanao aho”, dia miantsoantso an’Andriamanitra izy, manoloana ny tsy fananany hery, ary milaza ny fangirifiriany, nefa ihany koa ny finoany an’io Andriamanitra akaiky antsika olombelona io :

 

Mangetaheta ny fanatrehanao aho,

Ry Andriamanitra Tompon’ny finoako.

Ao anatin’ny fahalemeko fatratra,

Inona no ho nataoko raha tsy teo Ianao ?

 

Isanandro, isanora,

Endre ! mila Anao aho,

Avia, Jesosy, tomoera

Akaikiko kokoa hatrany.

 

Mandritra ireo andron’oram-baratra,

Maizimpito, mampangorohoro,

Raha mihena ny herim-poko,

Inona no ho nataoko raha tsy teo Ianao ?

 

Jesosy ô, ny fanatrehanao,

No fiainana sy fiadanana,

Fiadanana ao anaty fijaliana

Ary fiainana ho mandrakizay.