Alatsinainy 19 Oktobra 2020
Ary ... hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny làlan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany. Fa tsy sitrak’i Jona indrindra izany, ka nirehitra ny fahatezerany. Dia nivavaka tamin’i Jehovah izy ka nanao hoe : ... Esory ny aiko ; fa aleoko ho faty toy izay ho velona. Fa hoy Jehovah : Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao ? Jona 3:10 ; 4:1-4
Nirahin’Andriamanitra i Jona mpaminany, hampandre ny mponina tao Ninive fa ho avy tsy ho ela ny fitsarana mitatao amin’izy ireo. Na tsy sitrak’i Jona aza ny hanao izany, farany dia nolazainy ihany io hafatra io. Nahatsapa ny fahadisoany ireo mponina tao Ninive, ka nibebaka ; dia namela ny helok’izy ireo Andriamanitra, ary nanafoana ny famaizana nokasainy hatao.
Nefa tohina i Jona noho ny avonavony : tsy tanteraka izay nambarany. Tafintohina izy ka nanome tsiny an’Andriamanitra namindra fo, ary dia nangataka ny ho faty… “Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao ?” hoy Andriamanitra, nahari-po namaly azy. Ny lazany amin’ny maha mpaminany azy no nibahana tao an-tsainy, fa tsy ny voninahitr’Ilay Andriamanitra mahari-po naniraka azy hitondra ny hafany, hany ka sorena izy. Andriamanitra dia mpamindra fo sy mahari-po, fantatr’i Jona tsara izany, saingy tsy nitovy saina taminy velively izy !
Taoriana kelin’izany dia mbola tezitra indray i Jona, satria nalazo fa nohanin’ny kankana ilay zavamaniry nanome alokaloka ho azy, ka nafana loatra izy. Dia nangataka indray izy ny ho faty. Novalian’Andriamanitra tamin’ilay fanontaniana teo ihany izy. Hita amin’izany fa tsy voarain’i Jona ny lesona. Ny nanjo ilay zavamaniry no nampihetsi-po azy kokoa, noho izay hahazo ny mponina tao Ninive. Koa nolazain’Andriamanitra taminy ny fitserany ny mponina tao amin’io tanàna io, indrindra fa ireo ankizy marobe tao, ary ireo biby fiompy koa aza. Mampitandrina antsika ny tantaran’i Jona : ny avonavona na ny fitiavan-tena dia mety hiteraka fihetsika diso tafahoatra, izay tsy mifanaraka mihitsy amin’ny fahasoavana sy amin’ny fahari-pon’Andriamanitra. Ndao hiezaka hamindra fo kokoa, toy Ilay Andriamanitsika, “Izay tia ny olona rehetra hovonjena” (1 Timoty 2:4).