Talata 20 Oktobra 2020
Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika ... niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony, ho amin’ny fanantenana velona, tamin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. 1 Petera 1:3
Isika mino an’Andriamanitra, Izay maneho ny tenany ao amin’ny Baiboly. Ankehitriny nefa dia rijan-kevitra no asolon’olona maro ny maha tena misy Ilay Andriamanitra Mpahary, ambonin’izao tontolo rehetra izao. Koa tsy tokony hahagaga raha miha tafalatsaka kokoa hatrany anaty fisalasalana sy karazam-pinoana tsy tambo isaina izao tontolo izao. Tsy afaka hitondra amina fanantenana mitombina sy mafy orina, na dia ireo rindran-kevitr’olombelona tsara volavola indrindra aza. Manoloana ny toejavatra marobe mampalahelo ankehitriny, ary mitera-pahavoazana mihitsy aza, dia mipetraka ny fanontaniana hoe : Mbola afaka manantena andro iainana tsara kokoa ve ? Ao anatin’izao tontolo mikorontana sy feno tebiteby izao, avy aiza no mety hiaviana fanafana, mba hahazoana toky sy hampitony ?
Ny Baiboly irery no hany mitondra fahazoana antoka tena marina ho an’ny olona, manoloana ny fikorontanan-tsaina mihanaka. Io boky io, izay eken’ny olona an-tapitrisany, dia mampiseho amintsika ny avonavona sy fahantran’ny olombelona, sady koa maneho ny fahalehibeazan’Ilay Andriamanitra Mpahary sy ny fitiavany ny olona rehetra (1 Timoty 2:4). Nitia fatratra ny voariny Andriamanitra, ka naniraka ny Zanany Lahitokana teto amin’izao tontolo izao, mba hamonjy azy (Jaona 3:16). Tsy araka ny fihevitra miely aoka izany, fa ny finoana kristiana ambaran’ny Baiboly dia tsy fivavahana tahaka ny fivavahana hafa, na anisan’ireo fivavahana misy. Ny Baiboly dia mampahafantatra ny Filazantsara amin’ny olombelona very, ny Filazantsara izay “herin’Andriamanitra” (Romana 1:16), hany afaka mitondra fahazoana antoka sy fiadanana. Jesosy Kristy dia tsy lehiben’antokom-pivavahana, fa fanambarana mivantana Ilay Andriamanitra tokana, Ilay Andriamanitra velona. Niteny Jesosy hoe : “Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray (Andriamanitra)” (Jaona 14:9). Raha miaraka aminy, dia tsy mba fanantenana manjavozavo no ananana, fa fahazoana antoka hiaina andro tsara kokoa.