Alarobia 21 Oktobra 2020
Dia nandroso ny tenin’Andriamanitra ; ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra. Asan’ny Apostoly 6:7
Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy. Romana 10:17
Nijery ny famantaranandrony i Djamila. Afaka 20 minitra dia ho tonga avy niasa ny vadiny. Fotoana izao hamafana ny soritra rehetra ahitana ny zavatra nojereny tao anaty Internet…
Manambady efa ho 9 taona izao i Djamila, ary manan-janaka 5. Ny mameno ny fiainany dia ny raharahan-tokantrano sy ny adidy hafa voafaritry ny vadiny mpanjakazaka. Niezaka hatrany izy hanaraka ny fivavahan’ny fireneny, kanefa arakaraka ny amakiany ny boky masin’ny antokom-pinoany no mampitombo ny fisalasalana ao anatiny. Koa nanao fikarohana tao amin’ny Internet izy.
Nanjary nazava tampoka ilay fiainany mitovy lavareny, tamin’ny andro nahitany pejy iray tao amin’ny Internet, nanolotra “fitsidihana ara-Baiboly ny Tany masina”. Rehefa nikirakira teo izy, dia nahita ny atao hoe finoana kristiana, ary nanomboka nanaraka fianarana Baiboly ao amin’ny Internet. Nankao amin’ireo takelam-pifampiresahana ihany koa izy, ka maro tamin’ireo fanontaniana nipetraka taminy no voavaly. Na dia nanahiran-tsaina azy ihany aza indraindray ireo hevi-baovao maro hitany, dia nandray anjara tamina ady hevitra tao izy.
Nefa tsy ampy nanala ny hetahetany izany rehetra izany. Koa nanohy ny fikarohany izy, ary nahita fandaharana tao amin’ny Trans World Radio, sy ny fampiasana izany tao amin’ny findainy.
Taona vitsivitsy izay dia tsy nisaina afa-tsy ny handositra ny toejavatra tsy hay zakaina niainany izy, fa ankehitriny kosa dia nanapa-kevitra hijanona eo anivon’ny ankohonany, ary hivavaka ho azy ireo tsirairay, natoky fa haneho ny tenany amin’izy ireo Jesosy, amin’ny fotoanany.