Alakamisy 22 Oktobra 2020
Hoy Jesosy tamin’ny mpianany : Raha misy olona ta hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. Matio 16:24
Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’ izao tontolo izao. Jaona 17:16
Nahatratra ny tanjony ve ny finoana kristiana, sa tsy nahomby ? Roa arivo taona izay no lasa, hatramin’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy tetỳ an-tany sy ny nanolorany ny ainy mba hamonjy ny olona. Nefa toa tsy nihatsara izao tontolo izao… Tsy rariny ara-piarahamonina, firongatry ny herisetra, fahavetavetana no toetra manjaka eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ary ao anatin’izany na ny firenena manana kolontsaina kristiana aza.
Koa tokony hoheverina ho tsy nahomby ve ny finoana kristiana ? Tsia, tsy ny foto-kevitra ijoroan’ny finoana kristiana no tsy nahomby, fa tena ny kristiana mihitsy, ireo olona nasaina nijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana, amin’ny fanarahany an’i Jesosy, Ilay Lehilahy lavorary. Ny tontolo kristiana, amin’ny ankapobeny, dia tsy nino sady tsy niaina izay nampianarin’Ilay Olona entiny anarana. Kristy mantsy dia niresaka fankatoavana an’Andriamanitra sy fitiavana ny namana, ary niaina izany noresahiny izany. Matetika dia ankasitrahina ny fitsipi-pitondrantena kristiana, saingy tsy ilaina kosa Jesosy Kristy. Nefa tsy fitsipi-pitondrantena no nentiny, fa zavatra lehibe lavitra noho izany, dia ny famonjena, atolotra maimaimpoana ho an’ireo rehetra mibebaka noho ny fahadisoany.
Tsy araka ny fiheveran’ny maro azy ny finoana kristiana, hoe fitambarana fombafombam-pivavahana na foto-pampianarana, fa tena mifototra amin’ny fahafantarana Olona iray, dia Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Ny finoana kristiana dia fifandraisana eo aminy, Izay manome ny aina, sy ny olombelona mpanota, izay mandray izany. Ny finoana kristiana dia ny fiainana isanandro isanandro io fifandraisana amin’i Jesosy Kristy io.