Zoma 23 Oktobra 2020

Ary rehefa teraka Jesosy, tao Betlehema any Jodia, tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe : Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy ? ... Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin’i Jerosalema rehetra. Matio 2:1-3

 

Fivaonan-kevitra noho ny tsy finoana

Ao amin’ny tantaran’ny famangian’ireo magy tonga mba hitsaoka an’i Jesosy mbola Ankizy, dia mihoa-pampana ny habibian’i Heroda mpanjaka, toy ny fahadisoan-keviny.

Izy, izay tsy mpino, dia nandray ny fanambaran’ny magy ho mitombina. Toy ny mpandroba fahefana sahady no fahitany io Ankizy io. Raha misy tokoa izany Ankizy izany, hoy izy anakampo, dia tsy maintsy vonoina faran’izay haingana. Nantsoiny teo no ho eo ireo tompon’andraikitra ara-pivavahana. Ny Soratra Masina ve manambara ny toerana hahaterahan’ny Mesia ? Hentitra ny valinteny : any Betlehema. Nahoana moa ity mpanjaka tsy mpino ity no mihaino faminaniana efa 700 taona tany aloha ? Nirahiny avy hatrany ho any Betlehema ireo magy ! Niahiahy ve izy, rehefa nahita fa lasa tsy nampandre azy iretsy mpamangy ? Hitan’izy ireo ve ilay Ankizy, izay nahatonga fisehoan-kintana noho ny nahaterahany ? Fa mino izany rehetra izany ve izy sa tsia e ? Ary raha tsy nino izy, nahoana no nampamono ireo ankizilahy kely rehetra tao amin’io tanàna io ? Ankizy toy izany ve dia heveriny ho hainy vonoina ? Hadalana toy inona moa, fisafotofotoana, habibiana manao ahoana ny an’ilay mpanjaka, izay maty tsy ela akory taorianan’izany ! Raha ny marina, Andriamanitra tsy inoany ny fisiany, io no tiany hovonoina. Izany no fivaonan-kevitra manjo ny sain’ny olona eo ambany fahefan’i Satana, ilay fahavalon’Andriamanitra.

Satana dia manapaka izao tontolo izao sy manodinkodina ny fon’ny zanak’olombelona. Isika ve maniry ny ho afaka amin’izany fahefany izany ? Ilay notadiavin’i Heroda hovonoina io, Jesosy Ilay Zanak’Andriamanitra, Izy mihitsy ankehitriny no manafaka tanteraka amin’i Satana sy ny fahefan’ny maizina. Izay mino ny asa fanavotana sy famelan-keloka nataon’ny Tompo Jesosy dia tafaray aminy mandrakizay.