Asabotsy 24 Oktobra 2020
(Hoy Jesosy :) Dinihinareo ny Soratra Masina, … ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39
Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin’ny menarana : … izy (ny taranaky ny vehivavy) hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony. Genesisy 3:14, 15
Ny andinin-tSoratra Masina faharoa etsy ambony dia anisan’ny faminaniana tranainy indrindra ao amin’ny Baiboly.
Notononin’Andriamanitra izy io rehefa avy namitaka ny lehilahy sy ny vehivavy i Satana, naka ny endriky ny menarana, mba hitaona azy ireo tsy hankatò. Nanomboka hatreo dia nanamarika ny zanak’olombelona ny faharatsiana. Nefa amin’io faminaniana io dia mampitsimoka fanantenana Andriamanitra. Nambarany ela dia ela mialoha, hatramin’ny nidiran’ny ota teto amin’izao tontolo izao, ny fanafana hoentin’Izy tenany mihitsy momba io toejavatra mahonena io.
“Ny taranaky ny vehivavy” dia manondro an’i Jesosy Kristy tonga olona satria natera-behivavy, naterak’i Maria. Nanaiky ho faty teo amin’ny hazofijaliana Izy, ary io no namarana ny fiainany teto an-tany ; izany no atsidiky ny hoe “ombelahin-tongotra voatorotoro” : toy ny hoe naato ny diany teto an-tany. Raha jerena ivelany, ny fahafatesan’i Jesosy dia fandresen’i Satana, saingy raha ny marina, dia nanamarika ny fahareseny izany. Kristy dia nandringana “tamin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly” (Hebreo 2:14). Fandresena moa izany ! Nanorotoro ny lohan’ny menarana Jesosy, izany hoe naharesy azy tanteraka. Maty Izy, nefa nitsangana tamin’ny maty. Izy any an-danitra no olona voalohany nitsangana tamin’ny maty. Izy no lalana hamonjena ho afaka amin’ny fahafatesana izay rehetra mino Azy.
Io faminaniana io, natao efa an’arivon-taona maro, dia tanteraka 2000 taona lasa izay. Mbola manjaka eto amin’izao tontolo izao i Satana, ary manandevo ny olombelona. Nefa ho avy ny andro hanipazana azy any amin’ny helo, noho ny nandresen’i Kristy azy teo amin’ny hazofijaliana (Apokalypsy 20:10).