Alahady 25 Oktobra 2020

Tsara Jehovah amin’izay manantena Azy, dia amin’ny olona izay mitady Azy. Fitomaniana 3:25

(Jehovah) Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra... Izay manarona famindrampo sy fiantrana anao. Salamo 103:3, 4

 

Tena tsara Andriamanitra

 

Tena tsara Ilay Andriamanitro, mikarakara ahy fatratra :

Andriamanitra mahatoky Izy, mamaly ny finoako.

Te hiaro ahy Izy, ao anatin’ny zava-manahirana ahy,

Ampy ho ahy ny mametraka aminy ny zavatra rehetra.

 

Velona mandrakizay Izy, Izay Andriamanitra Tsitoha,

Mahay manafaka any amin’ny toerana rehetra sy amin’ny fotoana rehetra ;

Raha toa maizina, mampalahelo sy mahakivy ny zavatra rehetra,

Dia fantatro fa Ilay Andriamanitro tsy hanadino ahy mihitsy.

 

Hanampy ahy Ilay Andriamanitro, hitantana ny diako,

Na amin’ny androm-pifaliana na amin’ny fotoanan’ny ady.

Tsia, tsy matahotra na inona na inona aho, satria afaka miantehitra aminy,

Hotanterahiny avokoa izay rehetra nampanantenainy.

 

Fantatr’Andriamanitra tsara aoka izany izay toa mavesatra amiko,

Izay mankarary sy manahirana ahy isanandro.

Fantany izay ilaiko, ny tahotro ny amin’ny ampitso,

Nanome toky Izy hoe : hizotra tsara ny zavatra rehetra, ho ahy.

 

Fihirana “Mankanesa atỳ amiko”

“Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao ; mampahery anao Aho sady mamonjy anao ; eny, mitantana anao ... Aho... Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tànanao ankavanana” (Isaia 41:10, 13).