Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako ! ... Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo, mba hahita fahoriana sy alahelo, ka ho lany aman-kenatra ny androko ? Jeremia 20:14, 18

Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao. Salamo 94:19

 

Naleoko tsy teraka (5) Jeremia

Jeremia dia mpaminany nirahin’Andriamanitra tamina vanimpotoana tena matroka teo amin’ny tantaran’ny Israely. Tena nampalahelo ny toerana ara-toe-panahy nisy ny vahoaka, ary tsy azo nosorohina intsony ny fitsarana. Sarotra ny asa nanirahana an’i Jeremia, satria hafatra manetriketrika no tsy maintsy nambarany. Notanterahiny an-tsakany sy an-davany anefa izany, na dia notoherina aza izy. Tian’i Jeremia ny mpiray firenena aminy, ka nahatsiaro nijaly mafy izy, satria nataon’izy ireo tsinontsinona ny antsony, sady nanalavitra kokoa hatrany an’Andriamanitra izy ireo.

Ny toe-panahin’i Jeremia dia nifanohitra tamin’ny an’i Jona fahiny, izay sorena satria tsy notanterahina ny fitsarana nambarany.

Olona akaiky an’Andriamanitra i Jeremia, mahatoky, ary nijaly satria nanao ny tsara. Saingy tsy nibanjina Ilay Andriamanitra notompoiny izy, nandritra ny fotoana fohy, ka namela ny tenany ho difotry ny fangirifiriana. Nanjary maizina ny zavatra rehetra, ary tonga hatramin’ny fanenenana noho ny nahaterahany izy… Noho ny vesatry ny toejava-nitranga, dia nihodina vetivety tsy nijery ny Andriamaniny ity lehilahin’ny finoana ity. Kivy izy. Nefa hampitraka ity mpanompony Andriamanitra, ka hanome azy ny hery ilainy hanatanterahany ny andraikiny hatramin’ny farany.

Tena mampahery antsika tokoa ny fitantaran’ny Baiboly ny fiainan’ireny mpino fahiny ireny, ka tsy anafenany ny vanimpotoana nampangirifiry indrindra nodiavin’izy ireo. Tsy nanameloka azy ireny tokoa mantsy Andriamanitra, fa vao mainka aza nanome azy hatrany hery vaovao mba hanohizany ny diany. Ry kristiana, raha mandalo fotoana toy izany isika, raha misy fisainana tsy mampandroso mameno antsika, dia aoka hotsarovantsika fa tsy mba miova Ilay Andriamanitsika. Lafo loatra ny nividianany antsika, ka tsy hanary antsika an-dalana Izy !

(amin’ny heriny ny farany)