Talata 27 Oktobra 2020
Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Jaona 3:3
Fa izay rehetra nandray Azy (nandray an’i Jesosy) dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:12
Ny aina ara-batana avy amin’ny ray aman-dreny, ny masom-batana, ary ny fahiratan-tsaina dia mahatonga antsika hahay hamantatra Ilay Andriamanitra Mpahary ao amin’ny antsointsika hoe ny voary, na “ny zavatra nataony” (Romana 1:20) ; ireo “zavatra” ireo dia miresaka amintsika avy amin’Andriamanitra (Salamo 19:1-3). Raha tsy izany dia tsy ho afaka manana fifandraisana aminy isika, satria mpanota. Tsy manan-danja na kely akory aza ny ezaka rehetra ataontsika : fikasana tsara, asa soa, endrika sy fombafomba ara-pivavahana, tsy misy manan-danja mba hanefana ny trosan’ny fahamelohantsika sy mba hahazoantsika manatona Azy, Izy Ilay Andriamanitra masina.
Nefa tonga tetỳ an-tany Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, mba hiresaka mivantana amintsika, mba hanambara amintsika ny vaovao mahafaly, dia ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra (Marka 1:15). Lazainy antsika fa ao amin’io fanjakana io no itoeran’ny “fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina” (Romana 14:17). Koa ahoana àry no hahazoantsika miditra ao amin’io fanjakana io, nefa ny toetra maha mpanota antsika dia manakana antsika tsy hiditra ao amin’ny sehatr’Andriamanitra ?
Tsotra ny valiny : amin’ny fahateraham-baovao, araka ny nolazain’i Jesosy hoe : “Tsy maintsy hateraka indray ianareo” (Jaona 3:7). Rehefa mandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny ny olona iray, dia omen’Andriamanitra izany aina ara-panahy izany. Manomboka eo io olona io, satria nanjary mpino, dia “mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra” (2 Petera 1:4), manana ny fiainana mandrakizay, ary manjary zanak’Andriamanitra. Noho izany, Jesosy Izy tenany mihitsy dia tsy menatra hiantso antsika hoe rahalahiny (Hebreo 2:11).
Koa ny fanontaniana tokony hapetraky ny tsirairay amin’ny tenany dia hoe : Tena efa nateraka indray ve aho ?