Alarobia 28 Oktobra 2020
Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho... Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho ; fa Ianao no amiko. Salamo 23:1, 4
Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika ... nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay. 2 Timoty 1:10
Vao namoy ny vadiny ity mpitoriteny iray mbola tanora, no nanontany azy ny zanany vavy kely, tao anatin’ny fahoriany amin’ny maha zaza azy, hoe : — Jesosy efa maty noho ny fahotantsika, ka nahoana isika no mbola tsy maintsy ho faty ihany ?
Tsy namaly teo no ho eo ilay raim-pianakaviana, fa mbola nitady fanazavana tandrify ny taonan’ity zanany. Nandeha fiara ho any amin’ny fasana izy ireo, tato aoriana-na kamiao be, no nasain’ilay ray nijery io fiarabe mavesatra io ny zanany ary nanontaniany hoe : — Raha tsy maintsy ho voahitsaka isika, dia inona no tianao : ho voahitsak’io fiarabe io sa ho voahitsaky ny aloka manaraka azy ? — Ny aloka manaraka azy, satria tsy hamparary antsika izany !
Nangina kely ilay raim-pianakaviana ary nihetsi-po nanohy hoe : — Hitanao, maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, toy ny voahitsaky ny fiara mavesa-be. Nilatsaka taminy ny fahatezeran’Andriamanitra manontolo, mba ho ny aloky ny fahafatesana fotsiny no handalovantsika.
(araka an’i R. Zacharias)
Amin’ny antoandro dia eo ambany fahazavanao aho ;
Amin’ny alina dia milamina ny torimasoko.
Amin’ny maraina dia manazava ahy ny masonao
Ary mitarika ahy eo amin’ny lalako ;
Ary isankariva, ry Ray mamy,
Dia manomana ny ho ampitsoko ianao.
Dia hitako manatona, amin’izany,
Ny faran’ny diako etỳ an-tany etỳ,
Ary andrasako fatratra sy am-patokiana
Ny lova masina any an-danitra :
Raha hanarona ahy ny fasana,
Dia hivoaka am-boninahitra avy ao aho.