Alakamisy 29 Oktobra 2020
Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra. Romana 5:12
Kristy Jesosy ... nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay. 2 Timoty 1:10
Teto amin’ity tontolo feno fijaliana sy fisaonana ity no nahatongavan’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpamonjy ny mpanota. Indray andro dia vaky fo ity raina zaza vavitokana 12 taona, nanatona an’i Jesosy ary niteny taminy hoe : “Marary efa ho faty ny zanako vavy kely”. Nandeha niaraka taminy Jesosy, nefa nifanety taminy ny vahoaka, ary mbola tsy maintsy nijanona Izy mba hanasitrana vehivavy iray narary. Nandritra izany, feno tebiteby ilay raim-pianakaviana noho ny fotoana nandeha, no tonga ireo mpiara-monina taminy, nilaza fa maty ilay zaza. Dia vita hatreo ve izany ? Fahoriana lehibe moa ny azy !
Fa Jesosy kosa, Ilay Tompon’ny aina, dia niteny taminy avy hatrany hoe : “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany”. Nanaraka ilay raim-pianakaviana Izy ary niditra tao an-tranony, izay nisy safotofoto be. Dia hoy Izy : “Tsy maty razazavavy, fa matory” (Marka 5:39). Nihomehy Azy fatratra ireo izay nanatrika teo, noho izany teny izany. Noroahin’i Jesosy hivoaka izy ireo, ary nandidy ilay zazavavy hitsangana Izy. Dia natolony an’ireo ray aman-dreniny ilay zazavavy, velona : talanjona izy mivady.
Ny fahafatesana dia zava-misy tsy azon’iza na iza ihodivirana. Fa Jesosy kosa, Izay tsy ananan’ny fahafatesana fahefana satria tsy nisy ota, dia nanolotra an-tsitrapo ny ainy. Ary nitsangana tamin’ny maty Izy, ka nanjary Ilay mpandresy lehibe, mpandresy ny fahafatesana. Manome antoka izay rehetra matoky Azy Izy, ankehitriny, fa na dia tsy maintsy ho faty aza izy ireo indray andro any, dia hitsangana tahaka Azy koa, hitafy vatana feno voninahitra. Ho an’ny kristiana, ny fahafatesana dia mitoetra ho lalan-tsarotra andalovana, saingy mamoha varavarana ho amin’ny fifaliana mandrakizay any an-danitra, miaraka amin’i Jesosy (Salamo 23:4, 6).