Zoma 30 Oktobra 2020

Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony... maniry hiala [aho] ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany ; kanefa kosa ny hitoetra eo amin’ny nofo no mahasoa anareo kokoa ... hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ny finoanareo. Filipiana 1:21-25

 

Maniry hiala aho (6) Paoly

Tsara vakina : Filipiana 1

Ny apostoly Paoly dia feno fandavan-tena no nanompo an’i Jesosy Kristy, Ilay Tompony sy Mpampianatra azy ; nanao ny ainy tsy ho zavatra izy, ho an’ny kristiana. Saingy nalahelo izy nahita fa “izy rehetra dia samy mitady ny azy avy” (Filipiana 2:21). Koa na dia efa antitra aza izy sady voafonja tany Roma, dia io tany an-tranomaizina io no nanoratra ho an’ny kristiana tao an-tanànan’i Filipy hoe : “Eny, mbola hifaly ihany aho… Ankehitriny koa no hankalazana an’i Kristy ao amin’ny tenako, na amin’ny fiainana, na amin’ny fahafatesana. Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony” (Filipiana 1:18, 20-21).

Inona no nanosika azy toy izany ? Te handositra ny fijaliana ve izy ? Sa diso fanantenana tamin’ireo mpino, na voaratra tao amin’ny hambom-pony sady kivy satria navarina any am-ponja ? Mihevi-tena ho hany olona mahatoky ve izy, ary efa “hiraviravy tanana” ? Na koa nanenina noho ny nahaterahany ? Sanatria ! Fifaliana sy fiadanana no asehon’ny taratasy nosoratany. Manitrikitrika izy, mitaona ny mpamaky azy mba hifaly “mandrakariva ao amin’ny Tompo”. Fantatr’i Paoly fa hahatonga azy ho tafaraka amin’Ilay Mpamonjy malalany ny fahafatesana. Ny “ho ao amin’i Kristy” : izany no niriny. Nefa tsy nangataka ny ho faty izy. “Tsy hitako izay hofidiko ; fa sanganehana eo anelanelan’izy roroa aho” (and 22-23). Satria tsy ny tenany no noheveriny, fa ny hafa. Fantany fa mbola afaka hahasoa ny kristiana izy.

Ny Andriamanitsika anie hitarika antsika hanana antony manosika antsika toy ireo an’i Paoly. Tokana ny antony ahavelomany, fintininy hoe : “Fa Kristy no anton’ny ahavelomako”. Ary raha ho an’i Kristy, dia ahazoana tombony ny miaritra ny zavatra rehetra.