Asabotsy 31 Oktobra 2020

... tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana, ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, mba hahamasina azy... mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. Efesiana 5:25, 27

Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana. 2 Timoty 3:16

 

Mihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana (na eglizy)

Tsara vakina : Apokalypsy 2 sy 3

Tamin’ny faran’ny taonjato voalohany ny apostoly Jaona no nanoratra ho ana fiangonana fito ny bokin’ny Apokalypsy. Ny fiangonana tsirairay dia voarafitry ny kristiana tao amin’ny iray amin’ireo tanàna fito tany Azia Minora tamin’izany fotoana izany (Torkia ankehitriny), faritany romana voamariky ny fivavahana tamin’ny amperora sy ny fanenjehana ny kristiana, izay efa maro.

Tantarain’i Jaona ao amin’ny toko voalohany ny fahitana nomen’ny Tompo Jesosy azy, nahitany an’i Kristy teo afovoan’ireo fiangonana ireo. Ary soratany ao amin’ny toko faharoa sy fahatelo ny nolazain’i Jesosy tamin’ireo fiangonana ireo, tao anaty taratasy fito, ka taratasy iray ho an’ny fiangonana tsirairay. Mikambana ho zavatra iray ihany ireo taratasy fito ireo, toy ny laharan-javatra fito misesy hita matetika ao amin’ny Baiboly, anisan’ireny ny andro fiton’ny fahariana, ao amin’ny Genesisy toko voalohany. Ireo taratasy fito ireo dia fijery indray mitopy maso ny Fiangonan’i Kristy tamin’izany fotoana izany, ary milaza ihany koa ny dingana nodiavin’ny Fiangonana teo amin’ny tantarany, mandra-piverin’ny Tompo Jesosy haka ireo izay nino Azy. Tamin’izany andro izany, toy ny ankehitriny koa, dia maro ny kristiana nenjehina, ny sasany dia nalaim-panahy hanao marimaritra iraisana amin’izao tontolo izao, ny hafa indray niaritra fampianarana nampivily lalana ny mpino.

Ao amin’ireo taratasy ireo ny Tompo Jesosy dia manambara ny fankasitrahany, mampahery, mampitandrina amin’ireo loza, mampiseho ireo fahadisoana, ka miantso mba hiova, ary manome fampanantenana ho an’“izay maharesy”. Miantefa amin’ny kristiana tsirairay ankehitriny ny hafatry ny Tompo ao. Miteny amintsika Jesosy satria tia antsika (3:19). Ndao àry hihaino izay lazain’ny Fanahiny amin’ireo fiangonana (2:7), na manankarena na mahantra ara-panahy izy ireo, na kely na lehibe, na voaaro na voaenjika.

(hotohizina amin’ny asabotsy heriny)