Alahady 1 Novambra 2020

Manala rakotra izay lalina Izy (Andriamanitra) mba tsy ho maizina. Joba 12:22

Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany, tamin’ny andro samihafa sy ny fanao samihafa, dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra ; Izy no nahariany izao tontolo izao. Hebreo 1:1-2

 

Ny fanalahidy : ny fanambarana

Rehefa avy nianatra aho ny tapak’andro maraina, dia nandalo teo anoloan’ny biraon’ny mpiandraikitra ara-pivavahana ny toeram-pianarana. Teo dia nisy boky vitsivitsy teo ambony talantalana kely. Nanintona ny masoko ny lohatenin’ny iray tamin’ireo, nisy teny roa, hoe : Fanalahidy sy fanambarana.

Toy ny tselatra nampazava ny tao an-tsaiko izany. Fotoana vitsivitsy mantsy izay, dia nidona teo amin’ny fanontaniana momba ny fisian’Andriamanitra aho, ary nahakivy ahy izany. Niposaka tampoka teo ny mazava. Tsy hoe : “Misy ve Andriamanitra ?” no tena fanontaniana, fa hoe : “Nanambara ny tenany ve Andriamanitra ?” Raha tsy misy fanambarana tokoa mantsy, dia ho tafajanona mandrakariva ao anatin’ny fisalasalana aho.

Araka izany dia teny roa, teo amin’ny fonona boky, no nanafaka ahy tamin’ireo fisaintsainako tsy nahavokatra. Ny fanambarana no fanalahidy handrosoana ao amin’ny finoana ; ka noho izany, dia ny Baiboly no fanalahidy. Fiaingana vaovao ho ahy izany, mba hamakiako tsara ny Baiboly. Am-polontaonany izao no lasa, ary mbola io famakiana ny Baiboly io hatrany no mamelona ny finoako.

Raha izay fandinihana manokana ataontsika, dia hampijanona antsika mandrakariva eo amin’ny sehatra maha olombelona ihany. Andriamanitra anefa dia any ambonintsika, any ambonin’ny zavatra rehetra. Mba hahafantarana Azy, dia tsy maintsy misy varavarana sokafana ho antsika ; ary ny fanambarany ny tenany no fanalahidin’io varavarana io. Koa raha tsy misy io fanalahidy io, dia tsy hay hatonina ny sehatra momba an’Andriamanitra.

Manomboka amin’ny fiandohan’ny Baiboly ka hatramin’ny fiafarany, dia manambara ny tenany Andriamanitra, ary ataony amin’ny fomba samihafa izany, indraindray mivantana amin’olona, fa indrindra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Izay endrik’Ilay Andriamanitra tsy hita maso (Kolosiana 1:15). Ny fandreseny, ny voninahiny any an-danitra, ary ny fanjakany dia aseho ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, dia ny Apokalypsy, izay midika indrindra hoe “Fanambarana”.