Alatsinainy 2 Novambra 2020

Miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo. Jakoba 5:11

Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika. Matio 8:17

 

“Inona no tianareo hataoko aminareo ?”

Tsara vakina : Matio 20:29-34

Nipetraka teo amoron’ny lalana nandalovan’i Jesosy ireto jamba roa lahy. Na dia notoherin’ny vahoaka aza izy ireo, dia niantso an’i Jesosy, niantso hatrany mba hanatonany azy roa lahy. Dia nankeo aminy Izy, nanontany izay ilain’izy ireo maika, ary nampahiratra ny masony. Jesosy dia nikarakara mandrakariva ireo marary, ireo nailiky ny fiarahamonina, ireo diso fanantenana teo amin’ny fiainana. Môdely tsara raha mba halaintsika tahaka ny fiantrany sy ny fahafoizan-tenany.

Nefa mbola lehibe lavitra noho izany ny tanjony. Izy dia “nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy” (Asan’ny Apostoly 10:38). Ny fanasitranana nentiny ho antsika dia tsy ho an’ny vatantsika fotsiny, momba ny toe-piainantsika ara-nofo, fa indrindra koa, momba ny fanahintsika. Ny zavatra maika indrindra ilain’ny olona tsirairay mantsy dia ny ho afaka amin’ny ota. Io no aretina mandoza indrindra, satria mitondra ho amin’ny fahafatesana mandrakizay, izany hoe mampanalavitra ho mandrakizay amin’Andriamanitra.

Mandraka ankehitriny, na dia tsy eto an-tany intsony aza Jesosy, ara-batana, dia mbola mandalo eo aminao ary miteny aminao hoe : “Te ho sitrana va ianao ?” (vakio Jaona 5:1-9). Raha te ho afaka amin’ny otanao ianao, ary te handray ny famelan-keloka noho ireo fahadisoana nataonao, dia mitodiha amin’i Jesosy ; ho amin’izany no nanolorany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana. “Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra” (1 Petera 3:18).

Tsy manery an’iza na iza Izy, nefa vonona mandrakariva handray anao. Tianao hanao zavatra ho anao ve Izy ?