Talata 3 Novambra 2020

Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’izay tsy mahavoky ? Mihainoa dia mihainoa Ahy. Isaia 55:2

 

Tsy maintsy nihazakazaka aho (1)

« Nanomboka nanao hazakazaka ho fitaizam-batana aho tamin’ny fiandohan’ny taona 1980. Tamin’ny voalohany aho dia nihazakazaka mba hialako voly, nefa vetivety foana dia tafiditra tamin’ny fifaninanana, indrindra ny hazakazaka lavitra ezaka 42 kilaometatra. Nandritra ny fito taona aho dia namolaka mafy ny tenako, araka izay takian’io taranja io. Ny hany tanjoko dia ny hanatsara ny vokatra azoko amin’ny fifaninanana. Tamin’ny janoary 1990 dia naratra aho, ka voasakana tampoka tamin’ny ezaka nataoko ho amin’izany. Mafy tamiko io fiatoana io, nefa nananako fotoana nieritreretana ny andro sy hery rehetra laniko, mba tsy hahazoako anefa afa-tsy segondra vitsivitsy monja teo amin’io hazakazaka 42 km io. Inona no dikan’ireny ezaka rehetra ireny ? Dia tonga saina aho fa hay nitady hameno fotsiny ny banga teo amin’ny fiainako. Nanana ankohonana aho, nanana namana, nanana asa fivelomana, nefa toy ny hoe tsy maintsy mihazakazaka hatrany, tsy tokony hijanona mihitsy, na amin’ny heviny ara-bakiteny na amin’ny heviny ara-tsarinteny.

Tamin’ny 1992 dia nisy namako mpahay zava-maneno, nitarika resaka tamiko momba an’i Jesosy. Nahaliana izany, saingy tsy nahatsapa ny tenako ho voakasiky ny finoany aho. Nobeazina tao anatina fianakaviana jiosy mantsy aho, ka nosorohina tao ny resaka momba an’i Jesosy. Na izany aza anefa dia tsy nitsahatra niresaka tamiko momba izany ilay namako, ary nony farany dia nanome ahy Testamenta Vaovao. Namafa tsikelikely ny hevitra raikitra tao anatiko momba an’i Jesosy ny resaka nifanaovanay sy ny famakiana ilay boky. Nambabo ahy mihitsy ny fampianarany. Nefa Izy ve no Ilay Mesia nampanantenaina ao amin’ny Testamenta Taloha ? Isaia ve, ohatra, tsy efa nanambara mialoha fa ny Mesia dia hatolotra ho sorona mba hitondra ireo fahadisoantsika ary ho velona indray mba hanamarina antsika ? »

(rahampitso ny tohiny)