Alarobia 4 Novambra 2020

Manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 3:13, 14

 

Mihazakazaka hanatratra ny marika aho (2)

« Jesosy tokoa ve no Ilay Mesian’ny Israely, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao ? Nanjary nameno ny saiko manontolo io fanontaniana goavana io. Tsy azoko nodiana tsy hita io fanontaniana io, satria hoe tsy mino an’i Jesosy ny ankamaroan’ny Jiosy. Koa dia nivavaka tamin’Andriamanitra aho, nangataka taminy hampahafantatra ahy raha Jesosy tokoa no Ilay Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao. Nanova ny fiainako io vavaka io.

Takatro fa ireo fahotako dia fefy nanakana ahy tsy hahafantatra an’Andriamanitra. Tahaka ny tamin’ny andron’i Mosesy, dia nilaina ny fanatitra mba hamelan’Andriamanitra heloka sy mba hahafeno ny fepetra takian’ny fahamarinany. Ny zanak’ondry tao amin’ny fanekena taloha dia nanambara ny Zanak’Andriamanitra : Izy no nanolotra ny tenany ho sorona indray mandeha tsy miverina. Rehefa mametraka ny tokiko aminy sy amin’izay nataony ho ahy aho, fa tsy amin’ny fahamendrehako, dia afaka mijoro eo anatrehan’Andriamanitra. Nanohina mafy ahy izany.

Tsy nisy na inona na inona nanaitra, teo amin’ny fivoarako ara-panahy. Nefa nanao fahagagana lehibe Andriamanitra : nanova ny fiainako ankehitriny Izy, ary ataony mahazo antoka aho hoe manana fiainana mandrakizay. Nameno ny banga teo amin’ny fiainako ny vaovao mahafaly ambaran’ny Filazantsara, ny vaovao mahafaly manambara ny fitiavan’Andriamanitra naseho tao amin’i Jesosy, Ilay Mesia.

Na dia mbola tia fanatanjahantena aza aho, dia tsy tanjona ho ahy intsony izany. Ary mihazakazaka aho ankehitriny, tsy hoe mba hahazo medaly kely, fa mba hahazo loka maharitra mandrakizay, dia ilay lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any an-danitra. » (jereo 1 Korintiana 9:24-27).

Etienne L.