Alakamisy 5 Novambra 2020
Ny tenin’i Jehovah no nanaovana ny lanitra... Fa Izy no niteny, dia ary izany ; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany. Salamo 33:6, 9
Hita amin’ny endriny fa tony mandrakariva sady tia mandray olona ilay namako. Notantarainy tamiko androany ny fomba anohanan’Andriamanitra azy ao anatin’ny fijaliana mafy lalovany. Nolazalazainy ireo fambaran’aretina tsy fantatra, indraindray hafahafa, tsapany ao anatin’ny vatany izay kikisin’ny aretina. Manontany tena izy hoe inona no hanjo azy ato ho ato. Nefa hoy koa izy : « Feno fiadanana aho. Tsy haiko hazavaina ny hoe mameno ahy ny fiadanan’Andriamanitra, ary mihoatra noho ny tahotro sy fisaintsainako rehetra ».
Nitsiky izy, nanampy hoe misy toko iray ao amin’ny Baiboly tena nampahery azy, efa ho andro vitsivitsy izao, dia ny hoe : “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany… Ary Andriamanitra nanao hoe : Misia mazava ; dia nisy mazava… ary nampisarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina… Ary Andriamanitra nanao hoe…” (Genesisy 1:1-6). Ao amin’io lahatsoratra fampidirana ao amin’ny Baiboly io Andriamanitra dia mampahafantatra hoe iza moa Izy, mampiharihary ny fiandrianany, ny heriny, ary ny fahefany amin’ny zavatra rehetra. Tsy misy vokatry ny kisendrasendra, ao amin’izao tontolo rehetra midadasika izao. Ny zavatra rehetra dia maneho ny fahaiza-mifehy feno fahatoniana sy milamina ananan’Ilay Andriamanitra nampisy ny zavaboary. Ny singa tsirairay dia niseho tamin’ny fotoanany avy, mahafinaritra, lavorary, ary avy eo nandray ny toerany sy nisahana ny asa nankinin’Andriamanitra taminy. Mahatalanjona ny firafitr’izy rehetra, amin’ny farany.
Nampahery ilay namako ireo teny ireo. Izao no notsoahiny avy tamin’ireo ary notadidiny tao anatiny : “Tsarovy, anaka, fa lehibe tsy manam-petra Aho Rainao ; matokia tanteraka Ahy, aoka ianao hatoky fa afaka mametraka amiko ny fijalianao rehetra sy ny zavatra rehetra mampanontany tena anao, satria Izaho no Andriamanitrao”.
Fantatrao ve io Andriamanitr’ilay namako io, Izay Andriamanitra lehibe, Ilay hany Andriamanitra marina sady Mpamonjy ? (Isaia 45:21, 22).