Zoma 6 Novambra 2020
Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady izany tokoa isika ! 1 Jaona 3:1
Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo. 1 Petera 5:7
Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao. Jeremia 31:3
Nandany ny tolakandrony manontolo ity zazalahy kely, namantsipantsika tapa-kazo maro. Nony farany dia nivoaka avy tao amin’ny efitrano fiasana izy, niaraka tamina sambo nisy rihana telo, ary niandry mafy ny rainy. Efa hariva be ny rainy vao tonga, sady vizana no sahiran-tsaina. Tsy nojereny akory ilay zanany efa tsindrian-daona fatratra, te hampiseho aminy ilay sanganasany. Tsy nijery akory i Dada. Nalahelo mafy ilay zazalahy kely, lasa natory…
Angamba ianao mitahiry fahatsiarovana mampangirifiry momba ny fahazazanao tsy nisy ray, tamin’ianao very ka nirenireny, nihorohoro fatratra, tamin’ianao lasibatry ny fanarabiana feno hasiahan’ny namanao, tamin’ianao naratra na diso fanantenana. Ilay Rainao any an-danitra anefa dia tsy nitsahatra nanara-maso anao, ary te hampiseho aminao ny fitiavany, ny maha zava-dehibe anao aminy. Tsy misy fepetra ny fitiavany, tsy miankina amin’ny fahombiazanao, na amin’ny zava-bitanao, na amin’ny fahamoram-panahinao, na amin’ny hatsaran-tarehinao. Tsy mila manaporofo na inona na inona ianao. Tiany ianao, amin’izao maha ianao anao izao. Tokana ianao, ho an’ny fony maha Ray Azy.
“Fa Andriamanitra dia fitiavana. Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika : Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany”, “ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany” (1 Jaona 4:8-9 ; 1 Petera 2:24). Porofom-pitiavana lalina izany !