Asabotsy 7 Novambra 2020
(Hoy Jesosy :) Manana faharetana ianao, ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka. Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany ianao. Apokalypsy 2:3-4
Ny voalohany amin’ireo taratasy fito nosoratan’i Jesosy ho an’ny Egliziny (na Fiangonany) dia ho an’ny fiangonana tao Efesosy. Io tanàna io dia nivelona tamin’ny varotra, ary ivon-toerana lehibe amin’ny fivavahan’ny jentilisa. Tsy mora ny hoe mpino tany Efesosy, ary nijaly ny kristiana tany, noho ny finoany (Asan’ny Apostoly 19 sy 20). Fantatry ny Tompo izany, ary nankasitrahiny io tsy fivadihana io, toy ny asan’izy ireo koa, ny faharetany ary ny fiambenany tsy handefitra amin’ny misandoka ho mpino.
Na izany aza anefa, dia nanakiana azy ireo Jesosy hoe : “Niala tamin’ny fitiavanao voalohany ianao”. Tamin’ireo kristiana ireo vao nino ny Tompo Jesosy, dia ny fitiavan’izy ireo Azy sy ny fifaliany nahafantatra Azy no loharanon’ny fiainan’izy ireo sy nanome firehetam-po azy ireo. Nefa nony nandeha ny fotoana, dia niha nangatsiaka ny finoany. Tsy kivy izy ireo, ary nanohy hatrany ireo asa maha kristiana azy. Nefa angamba satria variana loatra tamin’ny asa fanompoany izy ireo, dia ny Tompo mihitsy no tsy hitany intsony. Nisy loza lehibe nitatao tamin’io eglizy io : mbola nikoriana ihany ny rano, saingy efa ritra ny loharano, dia ny fitiavana voalohany.
Izao taratasy ho an’i Efesosy izao dia mampandini-tena antsika rehetra. Amin’ny maha mpino ahy, dia mety ho very ny hafanam-poko tamin’ny nitiavako voalohany ny Mpamonjiko. Tsy afaka hiaro ahy amin’izany ny asako, na dia tsara toy inona aza, na koa ny faharisihako ho an’ny fahamarinana. Mba hanaovako ny asa tany am-boalohany, dia tsy maintsy miaiky ny zava-misy aho, miala amin’ny fombafombam-pivavahana, ary mikolokolo fiombonana amin’ny Tompo. Ny asa voalohany dia vokatry ny fitiavana voalohany… fa tsy ny mifamadika amin’izany. “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha” (1 Jaona 4:19).
(mbola hitohy)