Alahady 8 Novambra 2020
Teo no nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany. Jaona 19:18
Teo amin’ny havoanan’i Golgota, akaikin’i Jerosalema, dia nisy hazofijaliana telo natsangana ; olona iray isaky ny hazo no nohomboana teo. Eo andaniny roa dia nisy jiolahy, fa Jesosy kosa, Izay teo amin’ny hazofijaliana afovoany, dia niavaka satria tsy nanan-tsiny. Hoy ny mpitsara Azy : “Tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity” (Lioka 23:5) ; nefa noho ny faneren’ny vahoaka, dia nohelohiny ho faty Izy. Jesosy izany dia niaritra ny fampijaliana mahatsiravina natokana ho an’ny mpamono olona, araka ny lalàna romana tamin’izany fotoana izany. Niteny ratsy sy naneso Azy ny olona rehetra, na dia ireo jiolahy roa nohomboana niaraka taminy aza. Izy anefa dia ho afaka nanala ny tenany teo sy nidina avy teo amin’ny hazofijaliana, satria Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra. Tsy nataony izany, noho ny fitiavany antsika tsirairay, noho ny fitiavany ireo izay niteny ratsy Azy ; ary nivavaka ho azy ireo Izy hoe : “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).
Rehefa nahare izany ny iray tamin’ireo jiolahy dia tohina ny fony, nekeny ho an’ny tenany io famelan-keloka io, ary nankininy tamin’i Jesosy ny momba azy any ankoatra : “Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao”. Teo no ho eo ihany ny fampanantenana hoe : “Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:42, 43). Tsy milaza na inona na inona ny Baiboly, momba ilay jiolahy iray hafa voaheloka...
Hitantsika ao amin’izao zava-nitranga izao ny tantaran’ny zanak’olombelona manontolo. Ny olona rehetra dia meloka eo anatrehan’Andriamanitra, ary mendrika ny famaizany... Ny olona rehetra, afa-tsy iray ihany, dia Jesosy Kristy, Ilay Andriamanitra tonga Olona mba hisolo toerana azy ireo, hizaka io famaizana io, mba hahafahan’Andriamanitra mamela heloka. Ny sasany dia manaiky izany famindrampo izany, ny hafa kosa tsy miraharaha. Ary ianao, aiza amin’ireo no misy anao ?