Alatsinainy 9 Novambra 2020

Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô ; hoy izaho : Andriamanitro Ianao. Eo an-tànanao ny androko. Salamo 31:14, 15

Ny saina tsy miovaova dia harovanao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Isaia 26:3

 

“Mandrapihaona” fotsiny ihany

Mitantara ity vehivavy kristiana iray hoe : Niditra hôpitaly aho mba hanao fizahana ankapobeny momba ny fahasalamako. Nisy rindrina manify azo akisaka, nanasaraka ny farafarako tamin’ny ana tovovavy iray voan’aretina tsy hay sitranina. Tsy nisy fomba mety hahasitrana azy intsony, ka satria nijaly mafy izy, dia nomena fanafody fampitoniana mahery vaika. Indray andro, namaly olona niantso azy tamin’ny finday izy, no reko niteny taminy hoe : « Tsy hihatsara mihitsy intsony aho. Te hody aho. Aleoko any an-trano no maty ».

Nanindrona ahy ireo teny farany ireo. Ho faty izy, ary fantany izany. Efa vonona hihaona amin’Andriamanitra ve izy ? Nangataka tamin’ny Tompo aho mba homeny ny teny hahakasika ny fony. Dia nanatona ny farafarany aho, ary niresaka taminy momba an’i Jesosy sy ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana, sorona manome antsika ny fiainana mandrakizay. Naveriko taminy ny teny nolazain’i Jesosy tamin’i Nikodemosy ary nahatarika olona marobe hino, hoe : “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomen’i Jesosy ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

Nijery ahy izy sady nitsiky no niteny tamiko hoe : « Izaho koa anie mpino e ! ». Ny ampitso dia lasa nody izy « mba ho faty any an-tranony », ary rehefa nanao mandrapihaona azy aho, dia notondroiny ny lanitra ary hoy izy tamiko : « Eny, mandrapihaona ; any ambony isika no hihaona ».