Talata 10 Novambra 2020

Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsy fanarahan’ny olona iray (Adama), no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray (Jesosy). Romana 5:19

(Hoy Jesosy :) Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. Lioka 5:32

 

Ny ota … inona izany aminao ?

Ankehitriny isika dia miaina ao anaty kolontsaina mametraka fisalasalana momba ny ota. Araka ny hevitry ny ankamaroan’ny olona, dia fahadisoana lehibe ny mamono olona, mivadika fitokisana, mangalatra, raha oharina amin’ny mandainga, mamitaka, mitsiriritra… Nefa ny ota dia mihoatra noho ny hoe asa ratsy, teny masiaka, fisainana ratsy : ny ota dia hery mifamatotra amin’ny toetra maha isika antsika, hery nolovaina tamin’ireo ray aman-dreny, ary manosika antsika hiaina tsy misy an’Andriamanitra, ka noho izany, hiaina mifanohitra amin’ny sitrapony.

Ny teny hoe “manota”, tany am-piandohana, dia midika hoe “tsy nahatratra ny tanjona, diso lalana”. Ny tanjona dia ilay môdely lavorary tsy misy toa azy, izay eken’Andriamanitra ary notanterahin’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Lehilahy tonga lafatra. Raha oharina aminy ny olona, dia mazava fa tsy nahatratra ny tanjona napetrak’Andriamanitra ho an’ny voariny. Samy mpanota avokoa izany isika rehetra (Romana 3:23).

Na ireo izay tsy nangalatra na namono olona aza, dia tsy maintsy miaiky fa efa nandainga na nanana fisainana ratsy : sokajiantsika ho fahadisoana maivana izany, na fahadisoana madinika. Nefa ny fahotana, na toy inona na toy inona lanjany, dia manalavitra antsika amin’Andriamanitra, ary mitondra ho amin’ny fitsarana sy ny fanamelohana. Na izany aza anefa, Andriamanitra dia tsy mamela antsika tsy hanana fanantenana, manoloana ny toejavatra iainantsika. Mba hanafahany antsika amin’izany toerana izany, dia tiany isika hiaiky fa mpanota, ary atolony antsika ny famelan-keloka. Te handray izany famelan-keloka izany ve isika ?

Jesosy Kristy “no itoriana famelan-keloka aminareo ; ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino” (Asan’ny Apostoly 13:38, 39).