Alarobia 11 Novambra 2020

(Tenin’i Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay ; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. Jaona 4:14

 

Raha toa…

 

Raha toa ny fiainanao

Ka vesaran’ny ratsy vitanao,

Sy ny ratsy natao taminao koa,

Mbamin’ny ratsy mikiky anao…

 

Raha toa marary ny fanahinao

Sy ny fonao ary koa ny vatanao …

Raha toa tsy misy kintana ny alinao

Ary tsy misy masoandro ny andronao …

Raha toa tsy hitanao intsony

Ny faran’ny lalanao, raha toa tsy fantatrao intsony

Ny lalana tokony haleha …

 

Aza mijanona tsy mihetsika eo.

Atodiho ny masonao ho any amin’i Jesosy

Izay efa manatsika anao sahady.

Atolory Azy ny tananao,

Fa efa manolotra ny tanany aminao Izy …

 

Ho hitanao

Fa hiverina indray ny herinao,

Hamirapiratra hazavana ny masonao,

Hisy dikany tanteraka indray ny fiainanao.

Ary hamony indray ny fanantenana

Ao an-jaridainan’ny fonao.

 

J. Beaulac