Alakamisy 12 Novambra 2020

Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, ka manàna fieritreretana tsara. 1 Petera 3:15, 16

Fa nanana ady hevitra taminy [ireo mpiampanga ireo]... ny amin’Izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain’i Paoly ho velona. Asan’ny Apostoly 25:19

 

Ahoana no fomba iresahana momba an’Andriamanitra

Nilahatra haka sakafo tao amin’ny trano fisakafoanan’ny orinasa aho, no nahare tampoka olona niteny tao aorianako hoe : « Tsy tsara ny manao izao, raha kristiana ! » Fa inona àry no nataoko ? Vao avy nisafidy mofo kely terỳ aoriana indrindra tamin’ny fitoeran’ny tsindrin-tsakafo aho, satria efa tsy vaovao intsony ireo teto anoloana. Nitodika aho, ary nitsiky tamin’ilay mpiara-miasa tamiko nanao io fanamarihana io, nefa tena tsy nivazivazy mihitsy izy. Koa nitarika resaka momba ny finoana izany, nandritra ny sakafo…

Matetika ny tsy mino dia manana hevitra mazava tsara momba izay tokony ho toetrantsika kristiana. Raha ny marina, tombanan’izy ireo amin’ny fitondrantenantsika ny maha tena mpino antsika. Rehefa milaza ampahibemaso ny fahadisoantsika izy ireo, dia mahatsapa amina fomba manjavozavo fa voatohintohina ny voninahitr’Andriamanitra, na dia laviny aza io Andriamanitra io. Aoka isika ho vonona hiresaka momba ny Tompo, nefa hifototra amina fitondrantena azo itokiana, ary ho vonona ihany koa hiaiky ny fahadisoantsika.

Ahoana no fomba iresahana momba an’Andriamanitra amin’olona tsy mino Azy ? Ny zavatra voalohany mahatohina azy dia ny fanajana azy sy ny fandraisana azy an-kitsimpo. Antony matetika mahataona azy hiova fo ny fahatsapany fitiavana marina, izay taratry ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatintsika, fahasoavana mbola tsy fantany talohan’izany. Avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary manambara Azy, raha zohina.

Ny famaliana eo no ho eo fanamarihana atao amintsika dia ahafahantsika miresaka momba ny Tompo toy ny olona fantatra, manana toerana eo amin’ny fiainantsika. Andriamanitra dia tsy hevitra saintsainina, fa Aina Velona ; Izy no Ilay “Andriamanitra velona sy marina” (1 Tesaloniana 1:9). Ny hoe miresaka momba an’Andriamanitra, dia miresaka momba an’i Jesosy Kristy sy ny fifandraisana velona ananantsika aminy.