Zoma 13 Novambra 2020
Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra. Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah. Jeremia 29:13, 14
Firifiry moa ireo olona tsy mino no maniry hahafantatra bebe kokoa momba ny finoana kristiana, saingy tsy sahy manontany ny kristiana, satria matahotra ny hotsarain’izy ireo ! Rehefa manaiky hifanakalo hevitra mantsy, dia mamboraka kely momba ny tena.
Tsy ny kristiana ve no tokony “hahay miaraka” amin’ireo olona mifanerasera aminy, mba hampahafantarany azy ireo mazava tsara ny vaovao mahafaly manambara ny fitiavan’Andriamanitra ? Ary izany dia tsy tokony hanavakavahany kolontsaina, na saranga ara-piarahamonina. Ny Tompo Jesosy dia efa nandoa ny sarany mba hitondrany ho amin’Andriamanitra “olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra” (Apokalypsy 5:9).
Raha te hampisy fifanakalozan-kevitra amin’ny fo madio isika, mba hanambara ny fahasoavan’i Kristy, dia tsy maintsy manaja ny olona, sady resy lahatra fa tian’Andriamanitra izy ireny. Tokony ho tsapan’izy ireny koa fa tia azy isika, na dia tsy miombon-kevitra aminy aza, amin’ny zavatra rehetra. Tokony homena fahalalahana ireo izay eo am-pikarohana, ka henoina ny fanontaniany, ary ezahina takarina ny fisalasalany. Dia ho mora kokoa ny hahitana, miaraka aminy sy araka ny fahatakarany, ny valiny ao amin’ny Baiboly momba ireo zavatra mampametra-panontaniana azy.
Matetika isika, ao amin’ireo filazantsara, no mahita an’i Jesosy manatona, manontany ireo izay mifanatrika aminy, alohan’ny hiresahany aminy. Toy izany, ohatra, no nataony tamin’ilay vehivavy Samaritana (Jaona 4), tamin’ireo mpianatra teny an-dalana ho any Emaosy (Lioka 24)…
Ry kristiana namana, ndao hanaraka ny ohatra nomeny ary hatoky an’Andriamanitra sy ny asan’ny Fanahiny.