Asabotsy 14 Novambra 2020
(Hoy Jesosy :) Aza matahotra izay efa hiaretanao... Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana. Apokalypsy 2:10
Taterin’ireo lahasoratra tamin’ny taonjato faharoa ny fiainan’i Polycarpe, eveka tao Smyrna, sy ny hafatra nampitainy, ary ny naha maritiora azy. Tsy nanaiky hiankohoka tamin’i Kaisara i Polycarpe, ary nampirisika ny kristiana tsy hivadika amin’i Jesosy Kristy, Ilay hany Tompony. Niafara tamin’ny namoizany ny ainy izany fijoroany ho vavolombelona izany. Fety ny andro tamin’izay, vahoaka mitroatra no nampaka an’i Polycarpe ka nanery azy hisafidy : na hiankohoka amin’i Kaisara, na ho faty. « Nanompo an’i Kristy aho nandritra ny 86 taona, hoy izy namaly, ary mbola tsy nisy ratsy nataony tamiko mihitsy. Ataoko ahoana ny handà ny Mpanjakako ? Izy no namonjy ahy ! » Vao mainka naha romotra ny vahoaka izany teny izany, ka nanangona kitay izy ireo handorana azy. Talohan’ny hahafatesany dia izao no vavaka nataony tamin’Andriamanitra : « Misaotra Anao aho, fa noho ny famindramponao dia noheverinao ho mendrika hiaina izao andro sy ora izao, mba ho anisan’ny maritiora... »
Io tranga io dia manampy antsika hahatakatra ny hafatr’i Jesosy ho an’ny fiangonana tao Smyrna : “Aza matahotra izay efa hiaretanao”. Raisin’ny Tompo an-tanana tanteraka ireo mijaly noho ny Anarany. Ampahereziny izy ireo : “Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana”. Mampandini-tena antsika izany teny izany, na dia tsy tandindomin-doza hamoy ny ainy noho ny finoany aza ny maro amintsika. Ny fahafahantsika dia mba tokony hanosika antsika bebe kokoa hifikitra amin’ny Tompo sy tsy hivadika aminy. Nefa io hafatra io dia miantefa ihany koa amin’ireo fiangonana enjehina, amin’ny vanimpotoana rehetra, ary amin’izao taonjato faha-21 izao. Voamaritsika ve fa Smyrna no iray amin’ireo fiangonana roa hany tsy nokianin’ny Tompo, tamin’ireo fiangonana fito ?