Alahady 15 Novambra 2020
Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8
(Andriamanitra manambara hoe :) Fa hamindra fo amin’ny tsy fahamarinany Aho, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany. Hebreo 8:12
Halan’Andriamanitra ny ota, izay mampisaraka antsika aminy (Isaia 59:1-2). Ambarany amin’ny Teniny fa itovizantsika rehetra ny ota : “Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:23). Ny hoe “fahotana”, teny mampihomehy olona maro, dia zavatra atao, na fihetseham-po, na fisainana mifanohitra amin’izay andidian’Andriamanitra. Anisan’ny fahotana ny fandikana ireo lalànan’Andriamanitra nambarany, amin’ny fanaovana izay ratsy, izany hoe izay tsy marina eo imason’Andriamanitra (1 Jaona 3:4 ; 5:17). Resahin’ny Baiboly koa ireo fahotana rehefa tsy manao soa (Jakoba 4:17). Amin’ny ankapobeny, ny fahotana dia misy tsy fanatanterahana ny fitiavana, satria ny lalànan’Andriamanitra dia voafintin’ny didy hoe : “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Romana 13:9).
Koa na hay atao aza ny miaina mandritra ny fiainana manontolo ka tsy mamono olona na mijangajanga (afa-tsy an’eritreritra), na koa mangalatra na minia mamitaka, dia samy nanota ihany isika rehetra. Ao anatin’ny fontsika, ao anatintsika lalina indrindra ao, no ipoiran’ny fahotana, avy amina fitsiriritana. Avy eo izany dia miteraka ny asa ratsy antsoina hoe fahotana.
Ny hoe manota, dia manohitra ny fenitra lavorary napetrak’Andriamanitra, Izay masina. Halany izany, ary hotsarainy avokoa ny ratsy rehetra. Nefa Andriamanitra dia fitiavana ihany koa. Tia ny mpanota Izy. Tsy haintsika takarina izany, nefa “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy”. Ary Andriamanitra dia mamela heloka izay miaiky fa mpanota ka mandray ny famonjena sy ny fahasoavana izay niseho tamin’ny olona rehetra, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpamonjy (Titosy 2:11).