Alatsinainy 16 Novambra 2020
Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako ; nihaino ny feoko … Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny. Salamo 18:6
Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay, satria Ianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy. Salamo 4:8
Nisy zazalahy kely iray teraka. Indrisy fa sarotra ny fiterahana, ary nijaly mafy ny reniny noho izany. Nomeny ny anarana hoe “Jabeza” ilay zaza, anarana midika hoe “fahoriana”, satria hoy izy : “Ory aho, raha niteraka azy” (1 Tantara 4:9). Nanamarika ny fahazazan’ilay olona io anarana io.
Nivavaka i Jabeza ary nanokatra ny fony tamin’Andriamanitra, nanambara taminy ny ahiahiny rehetra : “Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin’ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany”. Tsy nisalasala izy nangataka zavatra maro, satria voapetaky ny vy mahamay ny sainy, noho ny fijaliana : te ho afaka tanteraka amin’io fahoriana mifatotra amin’ny anarany io izy. Nitokisany ny hatsaram-pon’Andriamanitra, Izay mahay manafaka sy mitahy azy. Ahoana no navalin’Andriamanitra ? “Nomen’Andriamanitra azy ny nangatahiny” (1 Tantara 4:10). Ary ambaran’ny Soratra Masina ihany koa fa “nalaza noho ny rahalahiny” izy.
Raha namela ratra naharary ny fahazazantsika, dia aoka isika hiantso an’Andriamanitra sy hanambara aminy izay rehetra mampahory antsika. Tsy handiso fanantenana antsika Ilay Mpahary, Izay namolavola sy nitia antsika, talohan’ny namoronana antsika mihitsy aza. Aoka isika hanatona am-pinoana sy hamboraka aminy izay ao am-pontsika. Te hanafaka antsika amin’ny fangidiana sy ny lolompo Izy. Te hanome antsika fiadanana mihoatra noho izay rehetra mety ho takatry ny saina Izy. Hoy Jesosy : “Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jaona 6:37).