Talata 17 Novambra 2020

Aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra ; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’Andriamanitra. 3 Jaona 11

 

Ny halan’Andriamanitra

“Izao enina izao no halan’i Jehovah —eny, fito no ataony ho fahavetavetana : ny maso miavonavona, ny lela fandainga, ary ny tànana mandatsa-dra marina, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy” (Ohabolana 6:16-19).

Koa dia halan’Andriamanitra izany ny zava-niseho rehetra tetsy sy teroa mameno ny gazety (fifandirana, ady, lainga…). Nefa mbola mihoatra noho izany, ny olombelona, noho ny toetrany lalina indrindra ao anatiny ao, dia tsy afaka manao zavatra mifanaraka amin’ny fisainan’Andriamanitra. Ny mibaiko azy dia ny fo ratsiny, ny fiheveran-tenany ho tsara, ny fironany hisandratra ho ambonin’ny hafa. Matetika izy dia lalaovin’i Satana. Nasehony ny zavatra mety ho vitany, tamin’ny nanomboany teo amin’ny hazofijaliana an’i Jesosy Kristy, Ilay hany Marina.

Ireo tompon’andraikitra tamin’izany fotoana izany dia nanambara hoe : “Tsy nisy zavatra nataony, izay tokony hahafaty Azy” (Lioka 23:15). Nampanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana anefa i Pilato, rehefa noteren’ny vahoaka sy noho ny fiarovany ny toerana maha governora azy. “Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny ? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao ?” (Joba 34:17). Izany anefa no nitranga, roa arivo taona mahery lasa izay. Navelan’Andriamanitra hiseho izany satria Kristy, Ilay hany Marina, dia tsy maintsy nitondra ny famaizana sahaza antsika. Jesosy, teo amin’ny hazofijaliana, dia “efa nataony ota hamonjy antsika (2 Korintiana 5:21). “Tonga voaozona hamonjy” antsika Izy (Galatiana 3:13). Izany rehetra izany no natao, dia mba hahatonga olona tokony hankahalaina —ary izany tokoa isika fahiny— hanjary zanak’Andriamanitra, ka hahay manao izay mahafaly an’Andriamanitra, noho ny finoany ny fitiavan’i Kristy (1 Jaona 3:1).