Alarobia 18 Novambra 2020
Izay fantatra ny amin’Andriamanitra dia miseho ao am-pon’ireny, fa nasehon’Andriamanitra taminy. Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony ; ka dia tsy manan-kalahatra ireo. Romana 1:19, 20
Nanjary nalemy i Patrick noho ny loza nahatsiravina nahazo azy. Nozarina hihetsika indray izy nandritra ny volana maromaro, ary taorianan’izany dia tonga tao amin’ny toerana hanjary ho “akaniny” nanomboka teo, trano natokana ho an’olona tsy afa-mihetsika firy. Izao aloha izy dia miray efitrano amin’i Claude, izay malemy hozatra. Patrick dia tsy mino an’Andriamanitra. Claude kosa dia mpino, mana-namana tonga miara-mamaky Baiboly aminy, indraindray. Amin’izay fotoana izay i Patrick dia mangataka ny hanakisahana ny farafarany ho any an-dalantsara, satria tsy te hahare na inona na inona momba ny Baiboly. Indray andro anefa dia tsy nisy olona tonga mba hanosika ny farafarany… ka voatery nihaino izy. Dia toy izany no nahatonga azy ho mpino.
Tokony ho herintaona taorianan’ny niovany fo, dia nifanena tamin’i Patrick aho. Nilazany haingana aho hoe : “Hamaky andinin-tSoratra Masina roa lehibe aminao aho !” Dia napetrako teo anoloany ny Baiboliny, ary hazo kely hetsehiny amin’ny vavany no namadihany ny pejy sy nampisehoany ahy ireo andinin-tSoratra Masina roa nomena antsika androany. Avy eo dia nanazava tamiko izy hoe : “Maro ny zavatra manasaraka antsika : izaho niasa tanana, ary ianao nianatra ; izaho niaina tsy nisy an’Andriamanitra, ary ianao mahafantatra an’i Jesosy Kristy efa hatramin’ny fahazazanao. Ity lahatsoratra ity anefa dia mametraka antsika hitovy tantana tanteraka. Na dia tsy mahita afa-tsy ny tontolo manodidina antsika aza isika, ny kintana sy ny voary velona, dia afaka mahatakatra fa misy Andriamanitra, afaka manome voninahitra sy misaotra Azy. Eto dia tsy hoe mino, fa kosa misaintsaina (amin’ny faharanitan-tsaintsika olombelona). Na ho an’ny manam-pahaizana lehibe indrindra na ho an’ankizy, dia mazava tsara ao an-tsaina ny fisian’Andriamanitra. Kanefa misy ny mandà izany zava-miharihary izany…”
Efapolo taona izao no lasa, ary nanjary manan-danja ho ahy koa ireo andinin-tSoratra Masina ireo.