Alakamisy 19 Novambra 2020
(Hoy Jesosy :) Mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo. Lioka 10:20
Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra. Asan’ny Apostoly 13:52
Ampodio amiko ny fifaliana amin’ny famonjenao. Salamo 51:12
Nirahin’i Jesosy ny mpianany hitory ny Filazantsara. Faly izy ireo rehefa tafaverina, nieritreritra ny vokatry ny asa nanirahana azy. Fa ny Tompo kosa nitarika ny sainy ho amina fifaliana lalina kokoa, dia ny fahafantarana fa voasoratra any an-danitra ny anarany. Satria tokoa mantsy, fifaliana toy inona moa ny mahafantatra fa an’ny Tompo isika, ary voavonjy ho mandrakizay !
Na izany aza anefa dia mety hihamatroka ny fifaliako, ary indraindray toy ny maty. Midika ve izany fa tsy Azy intsony aho ? Tsia, satria tsy ny fifaliana no manome antoka ahy fa voavonjy aho. Voavonjy aho noho ny asa nataon’i Kristy, ary azoko antoka izany satria ny Tenin’Andriamanitra no milaza izany. Ny fifaliako dia miankina amin’ny toe-panahiko. Tsy mety diso ny asa nataon’i Kristy ; noho izany dia tsy hay esorina amintsika ny famonjena efa azontsika (Jaona 10:28, 29). Nefa raha tsy tsara kosa ny toetrantsika ara-panahy, dia mety tsy hifaliantsika intsony ilay tombontsoa maha an’Andriamanitra antsika, toy ny ankizy te hanalavitra ny ray aman-dreniny.
Angamba noho ny tsy fananantsika faharetana sy fifehezan-tena manoloana ireo fahasahiranana, na noho isika variana loatra amin’ny raharahan’ny fiainana, dia nanalavitra an’Andriamanitra Raintsika isika. Amin’izay dia very ny fifaliantsika, fa tsy ny famonjena antsika, izay miankina amin’ny asa nataon’i Kristy ho antsika. Na malahelo aza ny Fanahin’Andriamanitra ao anatintsika, dia voavonjy hatrany isika, saingy tsy manana ilay fahasambaran’ny olom-boavonjy. Raha tsy tsara ny toe-pon’ny zanak’Andriamanitra iray, dia tapaka ny fiombonany amin’ny Ray, nefa mbola mitoetra ho zanak’Andriamanitra hatrany izy. Raha miaiky ny fahotany izy, dia tafaverina indray ny fiombonana, ary miverina ny fifaliana.