Zoma 20 Novambra 2020
Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin’ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy. Jaona 5:15
(Hoy Jesosy :) Ianareo ... ho vavolombeloko ... hatramin’ny faran’ny tany. Asan’ny Apostoly 1:8
Angamba ianao efa nifanena tamin’olona mizara filazantsara, na trakta na alimanaka kristiana, ka mahazo tsikera na esoeso… Na koa efa nahare kristiana miresaka an’i Jesosy Kristy amin’ireo manodidina azy, ka mitaona ny olona tsirairay hahafantatra Azy. Fa inona moa no manosika ireny mpino ireny handany ny fotoanany sy ny heriny mba hitoriana ny filazantsara eo amin’ny manodidina azy, na eo aza ireo fihetsika manohitra ? Mba olona hafahafa ! hoy angamba ianao anakampo…
Nefa ny fitoriana ny vaovao mahafaly manambara ny famonjen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy dia iray amin’ireo asa lehibe anirahana ny mpino, izay nilazan’i Jesosy hoe : “Ianareo ... ho vavolombeloko”. Mibahana ao an-tsainy sy eo amin’ny fiainany ny hafatr’Andriamanitra milaza fahasoavana. Ireo rehetra nahatakatra hoe toy inona moa ny fitiavan’Ilay Jesosy Mpamonjiny dia maniry hampahafantatra ny fifalian’izy ireo sy hizara izany. Ny fitiavan’Andriamanitra, izay narotsaka tao am-pony tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina (Romana 5:5), no manosika azy ireo. Satria Andriamanitra dia “tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” (1 Timoty 2:4).
Ny fitoriana ny Filazantsara dia tsy zotom-po hitarika olona, mikendry ny handresy lahatra sy hahazo mpanara-dia vaovao, amin’ny fomba rehetra. Tsia, tsy izany ; fa ny hoe mitory Filazantsara dia manambara an’i Jesosy Kristy Mpamonjy, mampahafantatra Azy. Ireo izay mitory ny Filazantsara dia tsy iza tsy akory fa ireo vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famelan-keloka atolony an’izay mahatsapa ny vesatr’ireo fahadisoany. Mahafantatra izany fahasambarana izany ho an’ny tenany izy ireo, toy ny mpianatr’i Jesosy, ka tsy afaka ny tsy hilaza izay mameno ny fony (Asan’ny Apostoly 4:20).